Fo VONONA ! ❣️
“Tena te ho tonga lafatra aho…”
Tsy azonao an-tsaina akory hoe impiry aho no miteny an’izany ao anatin’ny vavaka ataoko, rehefa iny aho fa diso indray. Eny, izaho mihitsy, diso foana, diso hatrany. Koa aza matahotra, fa tsy irery ianao…🫣🤭
Matetika aho no manontany hoe :
“Jesosy a, izaho tokoa ve no olona mety amin’ity iraka ity ? Mbola mandiso fanantenana olona maro aho - ary mandiso fanantenana Anao koa, Tompo a.”
Vao aingana dia niteny tamiko tamim-pitiavana be toy izao Andriamanitra :
“Tsy ho tonga lafatra mihitsy ianao - ary fantatro izany - nefa mifidy anao Aho satria mahita fo VONONA ao aminao sy AFAKA manatanteraka !”
“Inona ary no atao hoe fo vonona ?” Ary mbola nanohy niteny tamiko Andriamanitra hoe :
“Fo iray izay, rehefa diso, dia miverina AVY HATRANY Amiko, fa tsy miandry telo volana. Fo iray izay miteny hoe : ‘Miala tsiny aho’, eny, fo marina izay manaiky hoe : ‘Tiako ny mba ho efa tonga lavitra kokoa, mamelà ahy.’”
Tsy mitady fahalavorariana Andriamanitra, fa mitady fo vonona. 🤲🏻
Satria hitany fa ny fahalemenao no fotoana hanehoany ny Fahendreny!
Te-hihaona aminao ao anatin’ny fahalemenao Izy — mba hanome anao sary mazava sy velona momba ny maha-Izy Azy.
Rehefa manatona Azy ianao, na dia ao anatin’ny fahadisoana aza, dia afaka miaina manokana ny fitiavany tsy manam-petra :
Fitiavana mamela heloka. Fitiavana manome anao iraka handroso, na dia tsy lavorary aza ianao !
Tsy foana ny voasoratra hoe : “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena.”(2 Korintiana 12:9)
Ary io hery io dia omeny anao - hatrany hatrany - ENY :
“Ny famindram-pon’i Jehovah no tsy mahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.” (Fitomaniana 3:22)
Koa amin’ny manaraka raha mieritreritra ianao hoe : “Te ho tonga lafatra aho”, dia tsarovy fa tsy ny fahalavorariana no tanjontsika, fa ny fifandraisana lalindalina kokoa hatrany Aminy.
Fo vonona — izany no tena irin’Andriamanitsika !