• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 14, 2025

πŸ‘†πŸ» Fo iray, saina iray !

Andro namoahana Feb 14, 2025

Ny tenin’Andriamanitra raisintsika ho amin’ny anio no anisany miavaka indrindra amin’ity herinandro ity.

Ilay hitantsika omaly dia manazava amintsika fa raha tsy mivavaka amim-pinoana isika fa mitahiry fisalasalana ao am-pontsika dia ho tahaka ny onjan-dranomasina, izay entin’ny rivotra mitopatopa eny rehetra eny isika. 

Midika izany fa misy firoroan-tsaina sy fiherehana ao anatintsika : androany isika any amin’ny toerana iray, ary ny andro manaraka any amin’ny toeran-kafa… Misy andro isika mino fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra, saingy ny ampitson’iny tsy fantantsika intsony raha mandre antsika Andriamanitra…. Izany firoroan-tsaina sy fiovaovan-kevitra izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny finoana. 

Jereo izay lazain’ny andininy manaraka hoe: “ Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany.” (Jakoba 1:7)

Io firoroan-tsaina sy io tsy finoana io no manakana antsika tsy hahazo izay rehetra nomanin’Andriamanitra ho antsika. 

Eny, mety misy olona hilaza hoe: ”Tsia , manam-pinoana aho, mino an’Andriamanitra aho….” Fa raha ny marina dia tsy misy ifandraisany amin’ny finoana an’Andriamanitra na tsia. Fa ny fahatokiana marina izay lazain’Andriamanitra aminao sy ny fifikirana am-pinoana amin’ireo teny fikasany izay nambarany anao tamin’ny alalan’ny Teniny. Ary izany no hamaritra ny zavatra ataonao. 

Raisiko ohatra izao: raha milaza aminao aho amin’izao fotoana izao hoe hisy baomba hipoaka ato anaty efitrano afaka iray minitra dia hinoako fa heverinao fa mihanihany aho. Saingy raha miziriziry aminao aho ary manamafy fa tsy sangisangy izany lazaiko izany fa tena marina ary 45 segondra monja sisa no anananao, dia tonga dia handositra avy hatrany ianao… 

Fa kosa, ny zavatra tsy hisy mihitsy dia ianao hilaza amiko hoe mino ahy ianao kanefa tsy handositra: raha izany fihetsika izany dia mampiseho fa tsy tena mino ahy tanteraka ianao. Ny finoana marina dia arahin’asa hatrany. Raha ny marina, ny finoana dia mifanohitra amin’ny firoroan-tsaina, ny fiovaovan-kevitra izay alefan’ilay ratsy mba hiteraka fikorontanan-tsaina. Jereo izay lazain’ny Baiboly momba ny finoana ao amin’ny amin’ny Hebreo 11:1

Ny finoana no FAHATOKIANA ny amin'ny zavatra antenaina. Zavatra azontsika antoka fa tsy maintsy ho tanteraka ny zavatra handrasantsika. Ary koa FANEHOANA ny zavatra tsy hita. Resy lahatra amin’izany zava-misy izany isika, ary mino fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, na dia tsy mbola hitantsika aza izany.

Ry namako, alaviro ny firoroan-tsaina ary mitoera ho feno fahatokiana an’Andriamanitra!

Asandrato mafy ny vavakao, tano mafy ny teny Fikasany, ary ambarao izay rehetra efa nomaniny anao. 

Amin’ity fizarana anio ity dia te hivavaka manokana ho anao aho mba hahafahanao miaina tanteraka izany. 

Fahagagana ny fisianao!

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.