• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 6, 2026

Fitiavana mamela handeha…

Andro namoahana Mey 6, 2026

Efa namela olona handeha ve ianao… noho ny fitiavana ?

Tadidiko tsara ilay andro izay nandaozako ny reniko fa andeha ho any Australie aho - any amin’ny ilan’izao tontolo izao - mba hianatra amin’ny sekoly biblika mandritra ny herintaona.

Nitomany tamin’ny fony rehetra izy, hany ka tena tsy nanana hery hiarahana amiko teny amin’ny seranam-piaramanidina mba hanao veloma ahy. Tsy nandà velively ny hianarako herintaona amin’ny sekoly biblika izy akory. Fa ny fahafantarana ahy any alavitra any, irery tsy misy fiarovana… no tena tsy zakany.

Na izany aza, navelany andeha aho - noho ny fitiavana ! Tiany hahita ny lalako manokana aho - noho ny fitiavana ! ❤️ 

Rehefa nahita anao Jesosy, dia niatrika fanapahan-kevitra toy izany Andriamanitra Ray : “ Tena tsy maintsy mamela ny Zanako Lahitokana ve Aho, izay tiako indrindra, mba hahafahan'ny olombelona ?

Eny tokoa, nataony izany. Navelany nandeha i Jesosy - mba hanafaka antsika ! 

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3.16)

Ianao koa angamba anio mila mamotsitra zavatra izay mbola tsy azonao loatra ny antony. Minoa ahy : na ny reniko, na izaho dia tsy nieritreritra hoe hiteraka zavatra mahafinaritra izany fanapahan-kevitra marary izany. Ary sahiko ny milaza : 

Raha tsy namela ahy nandeha ny reniko dia angamba tsy hanoratra aminao aho amin'izao fotoana izao! Ary handeha lavitra kokoa aho: Raha tsy namela an'i Jesosy handeha ny Ray any An-danitra dia ho very isika.

💔 Ny famotsorana amin-dranomaso dia midika matetika hoe : manome toerana ho amin’ny vaovao. ❤️

Amin’ilay vaovao izay manafaka ! 

Anio aho dia mamporisika anao amin’ny foko manontolo mba handray ilay fitiavan’Andriamanitra lehibe ho anao. Ilay fitiavana izay hanome hery anao hamotsitra izay tokony apetrakao eny an-Tanany.

Satria ny tsara indrindra dia mbola eo anoloanao ! 

Fahagagana ianao ! 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.