Fitiavana mahagaga ! ❤️
!! Oeeeeee ! Oeeeeeee!!!!! Izany mihitsy no tiako hiantsoantsoana anao anio, raha mbola mieritreritra ianao fa manasazy anao Andriamanitra… Satria heverinao fa tsy mendrika tsara ianao, satria lavo ianao, satria mamerimberina hoe amin’ny manaraka hanao tsara kokoa… nefa dia lavo indray !
Fa izany eritreritra, sy lainga izany… dia ezahan’ny devoly inoantsika manontolo. Tsy ianao irery, fa izaho koa ! Ary tsy izay ihany, fa misy koa ireo rahalahy sy anabavy kristiana mbola manampy trotraka, ary na dia tsy fanahy iniana aza – dia manamafy indraindray ireo lainga ireo. Azonao ve ny tiako hambara ?
Ity andininy manaraka ity dia tokony hiorim-paka ao an-tsainao sy ao am-ponao : 📖 « Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola» (2 Timoty 1.9)
Tena mahatalanjona ity andininy ity, satria raha jerena akaiky, dia voasoratra hoe : “hatry ny fony fahagola” !
Izany dia manondro fotoana TALOHAN’ny famoronana, izany hoe TALOHAN’ny vanim-potoana rehetra.
Ny famonjena ao amin’i Kristy dia tsy drafitra maika 🆘, na hetsika tampoka avy amin’Andriamanitra rehefa hitany fa lavo indray ianao… 😅 Tsia !
Ny Andriamanitsika dia milaza ny amin’ny Tenany hoe : 📖 « Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy. Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory » (Isaia 46.9–10) Io Andriamanitra io ihany no efa nahalala hoe impiry ianao no ho lavo, ary hatraiza ny fahadisoanao. Ary nandray fanapahan-kevitra Izy : 👉 Hitia anao. ❤️
Mbola mila zavatra hafa ve isika anio ? 🥰 Efa nanapa-kevitra Andriamanitra fa HITIA ANAO – talohan’ny nisian’izao tontolo izao. Araka ny maha-ianao anao ! 🥰
Tsy te hisaotra Azy fotsiny ve isika anio ? Hilaza hoe Misaotra noho io fitiavana mahagaga tsy manam-paharoa io ?
Misaotra, satria tia antsika Izy na dia mahalala ny zava-drehetra momba antsika aza – ny fotoana ratsy indrindra, ny fahalavoana mbola ho avy, ny olana… 🤪
📖 «Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?» (Mika 7.18) Amen.