Fitahiana mahatretrika
Rehefa miresaka fankatoavana koa isika dia tarihin’ny Fanahy Masina hamaky ny Deotoronomia 28. Ny andininy 14 voalohany dia milaza ireo fitahian’ireo miaina anaty fankatoavana ny fitarihan’Andriamanitra. “Ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao” (Deo 28:2)
Mandalo ady sarotra ny eran-tany ary anisan’izany Madagasikara. Maro ny tena mitady mafy mba hisy haroso eo am-bilia amin’izao. Eo koa ny asa tsy vita araky ny tokony ho izy na tena rava mihitsy satria tsy nisy jiro. Tsy ilaozan'ny olana ara-pahasalamana koa rehefa tsy misy rano, sakafo madio, sns…Etsy andaniny ny tsy fandriam-pahalemana fa mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ny Malagasy.
Mety hiteny ianao hoe izahay angaha moa tsy mivavaka fa mbola nandalo izao sy izao ihany. Ny havaliko izay dia mitohiza mivavaka hatrany fa aza mamotsitra fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra rehefa tena nataonao tam-pankatoavana tanteraka.
Ao amin’io Deotoronomia 28 dia milaza Izy fa tahiana ianao, na aiza na aiza alehanao. Mahavokatra ianao sy izay ataonao, tsy misy tsy fahampiana eo aminao, hampitoeran’Andriamanitra anaty fiadanana ianao, hanokatra varavarana ho anao Izy, ho mpitarika hendry sy to teny ianao…satria hoy Izy hoe “aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy” (Deo 28:14). Teny rehetra fa tsy izay mahafinaritra antsika ihany.
Manonona aho ireo fitahiana voalaza amin’ny andininy 14 voalohany ireo ho tanteraka eo amin’ny fiainanao satria ianao dia olon’ny fankatoavana.
Fahagagana ianao!
