ππ» Fitahiana ianao!
Manova ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika ny fitahian’Andriamanitra. Noho ny fitahian’Andriamanitra no ahafahantsika miaina amin'ny fahafenoana sy mahita ny fomba hiroboroboana sy hamokaran' ireo karazan-javatra maro samihafa eo amin'ny fiainantsika.
Ao amin'ny Testamenta Taloha isika dia efa afaka mahita ny herin'ny fitahian’Andriamanitra miasa mahery vaika teo amin’ny fiainan’ireo izay akaiky Azy.
Eny tokoa, i Abrahama, ilay rain’ny finoana, dia nahazo izao fampanantenana avy amin’Andriamanitra izao: “dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao.” (Genesisy 12:2).
Tsy vitan’ny hoe nandray izany fotsiny izy, fa nino sy niaina izany teo amin’ny fiainany: nahazo fitahiana lehibe tokoa i Abrahama tamin’izay rehetra nananany. Ary na dia teo amin’ny sehatra izay notadiavin'ny fahavalo hangalarina, vonoina sy haringana aza, tamin'ny tsy fahafahan'izy ireo niteraka, dia novain' Andriamanitra izany toe-javatra izany ka nanao fahagagana ho azy ireo Izy, ka Abrahama ilay tsy nanan-janaka no lasa nahazo taranaka mihoatra noho ny isan'ny kintana eny amin"ny lanitra.
Andriamanitsika Izy! Te hameno antsika amin’ny fitahiany Izy, hahamaro antsika, hampitombo antsika amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika... ary indrindra indrindra, te hiara-hiasa amintsika Izy hahatanteraka ny fikasany hitahy ny olombelona rehetra.
Izany no mahatonga an'Andriamanitra miteny hoe: “...dia ho loharanon’ny fitahiana ianao”. Eny, antsoina mba ho fitahiana eo amin’izay misy antsika isika, ary haneho izany toetran’Andriamanitra izany amin’ny zavatra rehetra ataontsika!
Raha hazavaina misimisy dia izao: tsy afaka miaina marina ny fitahian’Andriamanitra feno eo amin’ny fiainantsika isika raha tsy vonona ny hizara izany fitahiana izany amin’ny hafa.
Ry namako, tanteraka sy mitombo ny fitahiana eo amin’ny fiainantsika raha toa ka mifanojo amin'ny fanatratrarana ny an'ny hafa koa izany.
