• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 14, 2025

Finoana miiba sa miabo? 📺

Andro namoahana Okt 14, 2025

Ahoana no hamaritanao ny finoanao?

Ny olombelona dia mirona te hino kokoa ny zava-dratsy mety hanjo azy: "Tsy ho vitako izany", "Hisy loza hanjo ahy", "Mitady harary aho...". Raha dinihana dia karazana “finoana” ratsy izany, satria rehefa manao izany ianao, dia misafidy ny hametraka ny fitokianao amin’ny toe-javatra ratsy indrindra, fa tsy amin’izay nampanantenain’Andriamanitra anao. Efa niaina izany karazana fisainana ratsy izany ve ianao?

Ny fampanantenan'Andriamanitra momba ny fiainanao dia tsara, faran'izay tsara! Ary Jesosy dia manasa anao hino ny tsirairay amin’izy ireo anio. Hoy ny Baiboly: “Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” ( Hebreo 11:6 ).

Na mandalo toe-javatra sarotra ianao na milamina tsara ho anao ny zava-drehetra, dia afaka manapa-kevitra ny hifikitra Aminy amin’ny fotoana rehetra ianao. Faly Andriamanitra rehefa matoky sy mitady Azy amin’ny fonao rehetra ianao! Eny, efa vonona ho anao ny valisoany =)

Hiara-hivavaka amiko ve ianao? "Tompo ô, misaotra Anao indrindra aho noho ny Fanatrehanao. Te hiala amin'izao eritreritra ratsy izao aho ary hatoky Anao amin'ny foko rehetra. Eny, misafidy ny hametraka ny fitokiako amin'ny teny fikasanao momba ny fiainako aho ary hifikitra Aminao, na inona na inona mitranga ary na inona na inona mety ho vokatr’izany. Fantatro fa miady ho ahy Ianao, ary ho vavolombelon’ny Fandresenao eo amin’ny fiainako aho. Misaotra Anao amin'ny zavatra rehetra aho Tompo ô! Amin'ny anaran'i Jesosy. Amen”

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.