⛅ Fihaonana amin'ny tenin'Andriamanitra!

Anio dia tohizantsika ny fandinihana “amim-pahazotoana” ny lohahevitra ho amin’ity herinandro ity 😉
Sangisangy zary tenany, fa raha misy zavatra tena tokony hampazoto antsika indrindra dia ny tenin'Andriamanitra. Tsy amin'ny famakiana izany fotsiny anefa.
Ity andininy nampitaina ho an'ny Hebreo dia mampahery antsika manao hoe : “Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.” (Hebreo 2:1)
Indro, milaza ny mpanoratra ny Hebreo eto hoe inona no vokany raha tsy mazoto amin’ny Tenin’Andriamanitra isika : mety hiala Aminy isika.
Midika izany fa mandroso isika sady mihevitra fa milamina avokoa ny zava-drehetra, saingy mety tsy ho tonga saina akory, dia ho diso lalana isika izay mampilatsaka antsika, na mamily lalana antsika, na koa mandratra antsika mihitsy aza.
Izany no vokatry ny tsy fitazonana ny Tenin'Andriamanitra ao am-po. Ary ny vahaolana dia tsy ny famakiana andininy vitsivitsy isan'andro fotsiny, na ny fanavaozana ny fanoloran-tena isan'andro: ny fanalahidy dia ny faniriana hitazona ny Teny ao am-po.
Hoy Jesosy tamin'ny mpianany hoe “Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.” (Jaona 15:7). Eny, misy zava-tsoa sarobidy raha mitoetra ao anatintsika izany teny izany!
Hitanao ve ny fahasamihafana? Tsy ny famakiana sy fampiharana andininy vitsivitsy isan'andro mba hahasoa antsika fotsiny no angatahin’ny Tompo. Tsia, fa fihaonana marina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny, amin’ny fandraisana ny Teniny “Rhema” ao am-pontsika.
Amin’ny fananana toe-po mangetaheta an’Andriamanitra. Mety tsy dia hanam-potoana hamakiana andininy vitsivitsy ao amin’ny Baiboly ianao... Fa farafaharatsiny, rehefa mamaky azy ireo ianao, saintsaino, dia tadiavo izay tian’Andriamanitra holazaina aminao, fakafakao izany ary avelao Andriamanitra hiasa ao am-ponao. Izay no atao hoe fahazotoana: mandray izany ho zava-dehibe kokoa ary mitoetra ao amin'ny Teniny!
Ry namako, mazotoa hatrany mitady ny tenin'Andriamanitra!
Izany rahateo no lazain'ny andinin-teny anio : tsy maintsy “mazoto kokoa” isika sady mandray izay hafatra voaray ho zava-dehibe kokoa.
Te hamporisika anao aho mba haka fotoana hivavahana ary hangataka amin’Andriamanitra mba hanampy anao hanana fahazotoana bebe kokoa ho amin'ny Teniny. Angataho Izy mba hanambara aminao amin’ny alalan’izany ireo hevitra izay hahatonga anao hanana fihaonana lalina Aminy.
Fahagagana ianao!

