• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 27, 2025

⛪ Fiantraikany mandrakizay !

Andro namoahana Apr 27, 2025

Anio no hamaranantsika ity andiany momba ny fahazotoana ity, amin’ny alalan’ny fandinihana olona iray tena mahaliana izay voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao : Apolosy.

Voalaza ao amin’ny Baiboly fa Apolosy dia nahay tsara ny Soratra Masina sady nahay niteny. “Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.” (Asan’ny Apostoly 18:25).

Jereo tsara : Fantatr’i Apolosy ny fototry ny Filazantsara, saingy mbola nisy zavatra tsy fantany (Ny batisan’i Jaona ihany no fantany , tena mbola betsaka izany ny zava-baovao tokony nianarany). Na izany aza, nitory tamim-pahazotoana sy firehetam-po izy, ary maro no nihaino azy.

Anio dia tiako ny hamarana ity lohahevitra ity amin’ny fifantohana amin’izany hoe fahazotoana hitory an’i Jesosy amin’ny manodidina antsika.

Matetika, manasaro-javatra isika ary matahotra mafy, tsy matoky tena, na menatra… Ka tsy sahy mitory an’i Jesosy sy milaza izay nataony tamin’ny fiainantsika, satria mihevitra hoe sao hitambaran’ny olona eo.Mihevitra isika hoe sao ho gaga na ho tezitra amintsika ny olona. Hoe haneso antsika izy ireo. Na hoe hanontany fanontaniana sarotra ka tsy ho haintsika ny valiny…

Ny fahavalo dia miezaka mandefa an’izany ao an-tsaintsika, mba hanakanana antsika tsy hitory an’i Jesosy. Fa lainga fotsiny izany ! Ny tena marina dia izao: - Ireo olona manodidina anao dia mandeha ho any amin’ny fahaverezana, ka mila maheno momba an’i Jesosy izy ireo. - Tsy mila fahalalana lalina be akory ianao hiresahana momban’Andriamanitra. Jereo Apolosy ! Zarao amin’ny hafa fotsiny izay efa fantatrao, ary ambarao amin’ny fo feno fitiavana ny fijoroanao vavolombelona. - Maro amin’izy ireo no handray tsara ny teninao, raha miteny amin’ny fitiavana sy amin’ny fo madio ianao. - Na ireo tsy mbola vonona hihaino ary dia ho tahiana, satria hisy fotoana iray amin’ny fiainany hiteny aminy amin’ny alalan’ireny resakao ireny Andriamanitra, ary mety maro amin’izy ireo no hiova fo.

Ry namako, handeha hazoto kokoa hitory an’i Jesosy amin’ny hafa !Ny fitoriana an’i Jesosy dia iray amin’ireo asa lehibe indrindra azontsika atao, nefa indraindray tsy tsapantsika akory ny lanjany! Izany no hamporisihako anao hanapa-kevitra anio hazoto kokoa amin’ny fizarana an’i Jesosy amin’ny hafa .Mivavaka koa aho hoe rehefa hitantara izany ianao dia mba ho marina, ho feno fitiavana, ary hiorina amin’ny fijoroanao vavolombelona sy amin’ny Tenin’Andriamanitra izany.

Matoky aho fa raha manao izany amin’ny fo manontolo ianao, dia ho hitanao fa maro amin’ny manodidina anao no hanolotra ny fiainany ho an’i Kristy ! 😉

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.