• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 6, 2023

Fiainam-pahafenoana no miandry anao !

Andro namoahana Jol 6, 2023

 

Efa nandeha fitateram-bahoaka ve ianao rehefa misy ankizy maro mikotaba ? Feno hery izy ireo, ka matetika mitomany sy mitaraina mandra-pahazoany izay tadiaviny. Mitsapa ny faharetantsika izy ireo.

Hatramin’ny fahazazana dia manana fitiavan-tena kely avokoa isika. Izay no mahatonga ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra mamporisika ny ankizy ho malala-tànana dieny voalohany, hizara sy hahatsapa fiaraha-miory amin’ny hafa. Mahafinaritra aoka izany ny mahita ankizy maneho fahatsoram-po dieny mbola kely !Torak’izany koa, mamporisika antsika ilay Raintsika any an-danitra dieny vao manomboka, ho malala-tanana, toy Izy malala-tanana. Ao anatin’io fahalalahan-tanana io no isehoan’ny fitahiana ao amin’ny hareny rehetra. Toy izao no ambaran’ny Baiboly :”Ny Fitahian’I Jehovah no mampanan-karena ; Ary tsy ampiany alahelo izany” (Ohabolana 10:22).Te hitahy anao Andriamanitra. Ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra no manosika antsika ho malala-tanana ihany koa amin’ny hafa. Eo ny fitahiana no voazara sy ankasitrahana, ary eo ny fitomboana sy ny harena no miseho amin’ny lafim-piainanao rehetra. Tsara loatra izany ! Eny ry namako, fanalahidin’ny fiainana feno, mahafaly ary voatahy ny fahalalahan-tanana.Te hivavaka ho anao aho :”Tompo o ! Misaotra Anao aho amin’ny fiainan’ity namako ity. Mivavaka aho mba ho afaka hiaina ny Fitahianao mbola tsy nisy toy izany izy eo amin’ny fiainany ary ho afaka misitraka ireo fitahiana maro efa nomaninao izy. Ny fahalalahan-tanana anie hitoetra tsy tapaka eo amin’ny fiainanay, ry Andriamanitro ô, mba hizaranay koa ny Fitahianao amin’ny manodidina anay. Misaotra amin’ny Fitiavanao, misaotra amin’ny Fahalalahan-tananao mahagaga ho anay ! Amin’ny anaran’I Jesosy, amen !”Androany, zarao amin’ny hafa ny Fitiavan’Andriamanitra.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.