• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 23, 2025

😭 Feno vesatra loatra ve ianao? 

Andro namoahana Feb 23, 2025

Betsaka ny zava-mitranga eo amin’ny fiainako amin’izao fotoana izao !

Misy tovovavy iray indrisy fa nodimandry noho ny aretina “anorexie”. Ho an’ireo hafa entiko am-bavaka, dia ady mafy isan’andro koa izany. Ankoatr’izany fihetseham-po lalina izany, dia manomana fampisehoana maro aho, izay mitaky dia lavitra amin’ny toerana samihafa.

Isan’andro dia mahazo antso vonjy aho, fangatahana tafatafa, ary mailaka maro tsy tambo isaina ! Ary mazava ho azy, tsy adinoko ireo fijoroana vavolombelona ho an’ny "Fahagagana isan’andro" izay tiako ny manoratra azy saingy mandany fotoana ihany koa. Etsy andaniny koa nefa ny fanadiovana sy ny fanasana lamba...

Be loatra ny zavatra atao e! Ary azoko an-tsaina fa mety ho sahala amin’ny ahy koa ny fiainanao, ka mety ho mora mahatsiaro ho feno vesatra ianao ! Indrindra amin’izao vanim-potoana izao rehefa tsy ianao irery no miatrika zava-tsarotra, fa toa izao tontolo izao mihitsy.

Ao anatin’izany fahasahiranana izany, tsarovy fa :

“Tsy voatery hampiasa ny herinao manokana ianao rehefa vonona hanome anao ny Heriny Izy.”

Alaivo sary an-tsaina hoe mipetraka eo amin’ny latabatrao ianao, tena mangetaheta mafy, saingy tsy mitsangana haka rano ianao satria reraka loatra. Kanefa eo akaiky eo ilay rano, ary raha misotro ianao dia hahazo aina kokoa !

Toy izany koa, ny loharanon’ny herinao dia efa eo am-pelatananao ! Jesosy mihitsy no miteny hoe :

Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” (Matio 11:28)

Raha matoky io fampanantenana io ianao, dia hijery ny fiainanao amin’ny fomba hafa mihitsy ianao ! Rehefa hoy Jesosy hoe : "Izaho no hanome anareo fitsaharana," dia tena ho ataony izany, satria izay ambarany dia tanterahiny ho an’ny tsirairay, araka izay ilaintsika !

Izao no fahamarinana nolazainy tamiko : “Hey, tsy ianao no tokony hanao fahagagana amin’ireo olona ireo, fa Izaho no manasitrana, Izaho no mpanafaka alahelo.”

Indraindray Izy koa miteny hoe : “Foano io fihaonana io.” Na koa hoe : “Mandehana na dia vizana aza ianao, fa omeko izay hery ilainao.” Raha ny momba ny "Fahagagana isan’andro", dia omeny ahy fotsiny ireny… rehefa miaraka Aminy aho !

Aza manao zavatra amin’ny herinao fotsiny, sao dia ho diso làlana, ka tsy hahita ny fahatanterahan’ny heriny sy ny fahatoniany !

Manatòna Azy, ary avelao Izy hanova ny fomba fijerinao sady mivavaha hoe : “Tiako Ianao, Tompo ô, fa Ianao harambatoko !” (Salamo 18:2)

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.