Feno sa foana ny fonao anio maraina?
Feno finoana ve ianao izao maraina izao?
Eny, vonona hiatrika tafio-drivotra izay mety hitranga amin’ny fiainanao anio ve ianao? Mamelà ahy hampahatsiahy ity andininy ity :“Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho.” (Isaia 41:10)
“Ah, efa fantatro io andininy io ka,” angamba hoy ianao. Eny, efa fantatrao - fa tsaroanao ve izany tamin’ianao nifoha maraina niaraka tamin’ireo ahiahinao? Tsia angamba, sa tsy izany? Satria tsy “feno finoana” ianao tamin’ny nifoha, fa kosa “feno fanahiana” : “Hilamina ve ny zava-drehetra?”
Nisy namako iray vao haingana, izay vehivavin’ny finoana, ohatra tena tsara alain-tahaka, nitsotra tamiko hoe : “Avy nifindra monina aho ary nony avy eo dia narary aho. Vetivety loatra ny fotoam-bavako ary tahaka ny tsy misy azoko ambara amin’i Jesosy intsony, satria mahatsiaro tena ho foana aho. Mila miverina mifandray amin’ny Baiboly aho.”
Tsoriko fa tsapako ny mahazo azy. Ary ny Baiboly dia miresaka momba izany ao amin’ny Romana 10:17 : “Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy…”
Raha tsy minia mivoky amin’ny tenin’Andriamanitra isika, dia ho foana lalandava ny fontsika. Ary vetivety dia haka toerana ny tsy finoana, ny tahotra ary ny ahiahy. Jereo ny voasoratra hoe : “Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.” (Salamo 33:6)
Oay… Ary izany Teny izany dia eo am-pelatananao, anaty Baibolinao sy ny Baiboliko. Ny anjarantsika dia ny mivoky amin’izany tsy an-kiato. Mahery loatra ny Tenin’Andriamanitra ka nahary izao tontolo izao izany. Ka ahoana? Mino ve ianao fa afaka manampy anao koa Izy, amin’ny fiainanao?
Aza adino fa manome toky anao Izy hoe : “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho.” (Isaia 41:10)
Safidio ny finoana, dia hitombo ao anatinao ny fatokisana.