🍷 Feno ny kapoakanao
Anisan’ny fanomezana lehibe indrindra azontsika avy amin’Andriamanitra ny fampihavanana Aminy.
Vao omaly aho no nieritreritra ny zavatra rehetra tsapako tamin’ny fotoana voalohany nihavanako tamin’Andriamanitra tamin’ny fiainako, fony aho nanolotra ny fiainako ho Azy teo amin’ny faha-15 taonako. Ny hany faniriako dia ny hiaraka Aminy sy hahalala Azy bebe kokoa!
Ny famelan-keloka avy Aminy sy ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainako vokatr’izany dia tena nisy ary sarobidy tokoa, hany ka Izy foana no nameno ny fieritreretako. Arakaraka ny nieritreretako Azy bebe kokoa no nahatsapako fa heniky ny Fitahiany sy ny Fanatrehany aho.
Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia mora kokoa tamiko ny mamela ny hafa sy ny maniry ny hitahiana azy ireo amin’ny zavatra rehetra, satria efa niainako ireo zavatra roa ireo, ary araka ny voalazan’i Davida mpanao salamo hoe: “ny kapoakako feno dia feno” (Salamo 23:5).
Mamporisika antsika ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” (Efesiana 4:32).
Raha tianao ho tonga zava-misy eo amin’ny fiainanao io andalan-teny io, ary ho feno ny fitahian’Andriamanitra amin’ny alalanao ny olona rehetra manodidina anao, dia tsy maintsy miaina izany rehetra izany avy amin’Andriamanitra aloha ianao, ary aoka ny kapoakanao ho tena feno.
Ry namako, tsy afaka manome izay tsy anananao ianao! Anio, tsarovy hoe nanao ahoana izany tamin’ny voalohany, rehefa niova ny fiainanao noho ny fitiavan’Andriamanitra. Tsaroanao ve ny nitadiavanao Azy? Tadidinao ve ny zavatra tsapanao?
Anio no andro hanavaozanao ny tenanao amin'izany rehetra izany indray. Manomboha misaotra Azy ary, sy mangataka Aminy ny fanatrehany bebe kokoa anio, satria feno fankasitrahana ianao noho ny fahafantaranao fa efa nampihavanina Taminy ianao, ary hanana fiainana mandrakizay eo Anilany.
Fenoy fiderana sy fankasitrahana ny Fanatrehan’Andriamanitra ny tenanao, ary ataovy azo antoka fa henika an’Andriamanitra ny fiainanao anio.
Ho hitanao fa ho mora ny manomboka manaparitaka izany famelan-keloka izany, ilay fitiavana ary ilay fitahiana mitovy, amin'ny olona rehetra manodidina anao!
Aza miaina ao anatin'ny tsy fahampian'ny ezaka ataon'olombelona: fenoy ny fitahian'ny Lanitra ny tenanao, ary avelao izy ireo handrakotra ny fiainanao, ka tsy ho zakanao izany, hany ka ny fifaliana lehibe indrindra ho anao dia ny mizara izany amin'ireo rehetra izay mifanena aminao.
