🔁 Faribolan'ny fitahiana
Hamarana ity lohahevitra mikasika ny fitahiana ity isika, amin’ny firesahana momba ny fanalahidy iray amin’ny fiainantsika, amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika: ny fahalalahan-tanana.
Heveriko fa ny fahalalahan-tanana dia anisany iray amin'ireo fomba tsara indrindra ananantsika mba ahafahantsika miaina ny fitahian'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, satria izany dia maneho be dia be ny toetran'Andriamanitra, amin'ny fomba mivaingana! Mahalala-tanana Andriamanitra, ary tsy mitsahatra mitahy antsika sy maneho fitiavana amin’ny fiainantsika Izy, amin’ny toe-javatra rehetra.
Amin’ny lafiny iray, dia afaka miaina ilay fitahiana sarobidin’Andriamanitra ao anatintsika isika isan’andro, sy ny fanomezany tsy misy fetra; ary etsy ankilany, afaka miaina ny fitahiana izay ahafahana maneho izany fahalalahan-tanana izany amin’ny olona manodidina antsika koa isika.
Hoy ny Baiboly: “Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.” (Ohabolana 11:25).
Tiako indrindra ilay tapany faharoa amin’ilay andininy izay miresaka momba ny fanondrahana olona. Fampanantenana mahery vaika tokoa izany: raha manondraka ny hafa ianao (amin’ny heviny hoe: manampy azy ireo amin’izay ilainy sy mitahy azy), dia ho voatondraka koa ianao!
Mety hieritreritra ianao fa raha manome izay anananao ianao dia tsy hanana indray. Fa ny lojikan'ny Fanjakan'ny Lanitra dia hafa mihitsy: rehefa avelanao Andriamanitra hitarika anao mba ho fitahiana ho an’ny hafa, dia tsy hifarana ho kely izany ny eo aminao fa hihoatra lavitra noho izay misy aza !
Izao no lazain’ny tapany voalohany amin’ilay andalan-teny novakiantsika: ny fahalalahan-tanana dia mahatonga antsika ho afa-po, ary hahazo fitahiana mihoatra noho izay eritreretintsika.
Ry namako, ataovy famantarana miavaka eo amin'ny fiainanao ny fahalalahan-tanana! Enga anie ny fitiavan’Andriamanitra ny olona hameno anao tanteraka, ka hahatonga anao hitohy hiaina foana ao anatin’izany fahalalan-tanana izany, ary hitahy izay rehetra mamakivaky ny lalanao ianao araka izay napetrak’Andriamanitra ao am-ponao.
Eny, sambatra ianao raha mitahy ny hafa, ary arakaraka ny hitahianao azy ireo no mahasambatra anao indray! Dia toy izay foana, ho voninahitr'Andriamanitra =) Faribolam-pitahiana mahafinaritra izany!
Ankafizo ity andro ity. Entiko am-bavaka sy ao am-poko ianao!
