Fantatrao ve ity tsiambaratelo ity ? 🤫

Mandritra ny andro vitsivitsy dia tiako ny hitondra fanalahidy isan-karazany ho anao, izay hanampy anao hanamafy ny finoanao. Vonona ve ianao ?
Ahoana no fijerinao ny finoanao ?
Volana vitsivitsy lasa izay, tao an-tranoko aho nandinika ilay teny izay nolazan’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe : "fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao (Matio 17:20).
Raha namaky an’io andininy io aho dia nisy zavatra namely mafy ahy ary tsy mbola hitako mihitsy izany teo aloha. Fantatrao ve ny tsiambaratelon’ny voan-tsinapy ? Ny voan-tsinapy dia mahafantatra ny maha-izy azy : tsy maninona aminy ny hoe kely, satria fantany tsara fa ho lasa zavamaniry lehibe izy, efa voasoratra ao amin’ny ADN-ny izany.
Izany dia mampahatsiahy ahy ny tantaran’i Abrahama. Hoy ny Baiboly hoe tsy niala tamin’ny finoany izy na dia teo aza ny toe-javatra nanodidina azy. Kanefa Abrahama dia mbola nino hatrany ny fampanantenan’Andriamanitra fa hanome zanaka lahy ho azy Izy, na dia toa nifanohitra tamin’izany aza ny zava-drehetra. Namaly izany finoana izany Andriamanitra ka nanao fahagagana mahatalanjona !
Ankehitriny, mety mahatsiaro ianao hoe tsy mbola nisy ratsy noho izao ny toe-javatra misy anao izao ary tsy hitanao intsony izay vahaolana. Kanefa , izao indrindra no fotoana tsara indrindra hananana finoana toy ny voan-tsinapy !
Ny finoanao dia tsy miankina amin’ny toe-javatra misy anao : fa ny toe-javatrao no miankina amin’ny finoanao. Minoa ary ambarao ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny fiainanao, satria noho ny fanampiany dia ho lasa ilay olona antsoin’Andriamanitra ianao !
Tianao ve ny hivavaka miaraka amiko ? "Tompo ô, mangataka Aminao aho mba hanampy ahy hatoky Anao sy hino ny fampanantenanao amin’ny toe-javatra rehetra, na inona vidiny na inona. Tahaka ny voan-tsinapy, ampio aho mba tsy hiantehitra amin’ny bika aman’endriko na amin’ny zava-misy. Tiako ny hametraka ny fijeriko Aminao, ary hitombo isan’andro mba ho lasa izay niantsoanao ahy ! Amin’ny anaran’i Jesosy, amen.

