Fantatrao ve i Asa ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Fantatrao ve i Asa ?

Ho ahy dia iray amin’ireo tena mahaliana ny tantaran’I Asa. Ary ianao, efa nahare ny momba io mpanjaka io ve ianao ?
Zafiafin’i Solomona izy ary nanao ratsy teo imason’Andriamanitra ny rainy. Rehefa tonga teo amin’ny fanapahana àry i Asa dia nanapa-kevitra tao am-pony fa hanao izay fanavaozana ilaina mba ho eo afovoan’i Jerosalema indray Andriamanitra.
Ny iray amin’ireo fotoana tiako indrindra dia ny nahatongavan’ny tafika Etiopiana iray – izay mahery lavitra noho ny mponin’i Jerosalema – hiady amin’izy ireo. Asa, feno finoana, dia nivavaka tamin’Andriamanitra nanao hoe : “ Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny maro izy,[Na: Jehovah ô, mora foana aminao ny hamonjy na ny mahery na izay tsy manan-kery.] ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. Jehovah ô, Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao” (2 Tantara 14:10). Izany ka vavaka feno finoana ! Namaly izany vavaka izany tamin’ny alalan’ny fahagagana Andriamanitra ka nanome azy ireo fandresena lehibe manoloana ireo.
Saingy rehefa nandeha ny taona, dia nihanangatsiaka i Asa. Nanomboka nanilika an’Andriamanitra izy, izay nahita ny Herin’Andriamanitra niasa tamina toe-javatra maro samihafa. Rehefa nisaina ny hanafika ny fanjakan’i Joda àry ny Siriana dia naleon’i Asa nanao fifanarahana tamin’izy ireo ka nanome azy harenan’ny tempoly toy izay niantoraka sy niankina tamin’Andriamanitra toy ny nataony tamin’ireo Etiopiana. Nanomboka nanao tsy marina tamin’ny vahoakany izy, ary rehefa narary mafy ny tongony, dia milaza ny Baiboly fa :”na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany” (2 Tantara 16:12). Matin’izany anefa izy noho ny farany.
Ry namako, afaka miaina fahagagan’Andriamanitra toa an’i Asa ianao eo amin’ny fiainanao : minoa fotsiny ary ampiasao ny finoanao, toy ny nataony. Fa indrindra, tano ny fitiavanao voalohany ! Manakana anao tsy hanao hadisoana sy ho ratsy fiafara toa an’i Asa izany.
Mijoro eo akaikinao Andriamanitra ary te hanao zava-tsarobidy na eo amin’ny fiainanao izany na amin’ny alalanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!