Fantatrao ve hoe iza ianao?
Mandritry ny andro vitsivitsy dia handinika ireo izay tao an-tsain’i Davida mialohan’ny nandreseny an’i Goliata isika, sy ny antony nahafahany nifanandrina taminy tamim-pahatokiana tanteraka. Raha ny marina, mety hanampy antsika hiady amin'ireo olan-tsika amim-pahatokiana bebe kokoa izany ... sy handresy azy ireo! Andao ary!
"Nahoana ianao no midina etỳ?" (1 Samoela 17:28).
Toy izany no nitsenan’i Eliaba zokiny an’i Davida, rehefa avy nanao dia lavitra izy mba hitondra hanina teo afovoan’ny ady. “Eny, misaotra anao”, angamba hoy Davida : “Avy nanao kilometatra maro aho mba hanasoa anao, dia izao no fankasitrahana azoko ho setrin’izany!”
Efa niaina zavatra toy izany ve ianao?
Miezaka manao soa ho an’ny hafa ianao, ary na dia “manolotra ny fanompoanao” aza ianao, raha lazaina amin’ny teny hafa, dia sady tsy mahazo dera no tsy asiana tombabidiny : maratra ianao. Ary aleonao miteny hoe: "Tsy hanao intsony aho, sady tsy misy dikany aminareo!"
Andeha anefa isika izao hianatra avy amin’i Davida. Azo antoka fa ho nanana ny antony rehetra nanaovany izany izy. Fa izao : "Fantany hoe iza izy!"
Fotoana fohy talohan’izay, dia nanosotra azy i Samoela (jereo ny 1 Samoela 16:12-13 ). Ary na dia mbola tsy nisy zavatra hita aza ny amin’izay hanjo an’i “zandry kely” Davida indray andro any, dia efa nino izany izy!
Ary izay no tsy namelany ireo teny maharary ireo handratra azy. Satria fantany fa, na taiza na taiza misy azy, dia efa handeha ho any amin’ny zavatra lehibe kokoa izy.
Rehefa Andriamanitra no nanoloranao ny aminao rehetra dia eo amin'ny lalana mankany amin'ny zavatra lehibe kokoa foana ianao!
Mety tsy nisy mpaminany teo am-baravaranao mba hanosotra anao, fa afaka miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa ianao, izay hampianarany anao manokana sy hizarany aminao ny lalana tokony halehanao ho an’ny hoavinao. Mahatoky Andriamanitra, ka manantenà Azy!
Ary hoy Andriamanitra ao amin’ny Teniny: “ Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako” ( Isaia 41:9 ).
Miaraka amin'io fahatokiana io dia afaka mandroso ianao anio! Ary na inona na inona lazain'ny hafa momba anao, na dia misy manontany anao aza anio hoe: "Inona no alehanao aty?”, dia tsy afaka ary tsy tokony hana