đ FantatrâAndriamanitra ny andro handraisanao ny Teny Fikasany!

Eo am-pelatananâAndriamanitra ny fotoana, ary ny fotoanany dia lavorary. Raha ny marina, matetika dia tsy mitovy aminâny antsika mihitsy ny fandaharanâAndriamanitra!
Azo antoka fa efa henonao imbetsaka ity andininy ao aminâny Baiboly ity hoe: âny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro...â (2 Petera 3:8)
Raha arivo taona ny andro iray aminâny Tompo, dia roa arivo taona ny roa andro, ary afaka miezaka manao kajy isika mba haminavina izay hataonâAndriamanitra. Fa rehefa mitovy aminâny arivo taona ny andro iray, ary mitovy aminâny indray andro ny arivo taona, dia manimba ny lojikan'olombelona rehetra izany⊠Mihoatra ny fahatakarantsika tanteraka izany!
Ary io no fanalahidy: tsy antsoina isika mba hifehy sy hitarika ny zava-drehetra mitranga eo aminâny fiainantsika, fa mba hanaiky ho tarihany. Marina fa tsara ny mandamina, manana tanjona, mametrapetraka tsara ny fotoantsika⊠nefa ny fiainana dia mihoatra lavitra noho izany rehetra izany.
Andriamanitra dia miantso antsika hiankina tanteraka Aminy sy hanaraka ny toroheviny, eo ambaninâny fitarihanâny Fanahy Masina aminâny zavatra rehetra ataontsika.
Mampahery antsika ity andininy mahafinaritra ity: âAry aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.â (Galatiana 6:9)
Indraindray dia toa mahatsiaro isika fa mamafy fotsiny, nefa tsy azontsika antoka hoe hisy vokany izany, na ny fomba ahatanterahin'izany⊠ary mety hanakivy antsika izany, indrindra rehefa mandeha ny fotoana nefa tsy misy fiovana.
Fa jereo tsara izay ambaranâilay andininy: aminâny âfotoanâandroâ, aminâny fotoana nomaninâAndriamanitra, no hahatongavanâilay vokatra, ilay fitahiana hita maso avy aminâAndriamanitra izay nandrasantsika. Raha ny marina, efa napetrakâAndriamanitra izany fotoana izany! Fantany mihitsy aza ilay andro! Wouah! =)
Efa ho tonga ilay andro hahazoanao ny Teny Fikasana avy aminâAndriamanitra!
Aza manahy intsony ny aminâny hoe rahoviana izany no ho tonga: tohizo aminâny fahatokiana sy fiadanana ny fanaovana ny tsara izay iantsoanâAndriamanitra anao anio amin'ny fahatongavan-tsaina fa miha-manakaiky ny Fotoanany. Lavorary ny fotoananâAndriamanitra! đ

