• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 8, 2025

πŸ”Ž Fantaro ilay "mihoatra" ao anatinao !

Andro namoahana Mar 8, 2025

Ahoana raha lazaiko aminao anio hoe tonga ilay fotoana nandrasanao hatry ny ela ? Eny, anio mihitsy ilay andro nandrasanao !

Izaho koa dia manana nofinofy. Izaho koa dia mahatsapa fa napetrak’Andriamanitra tao am-poko ilay “mihoatra”, ilay fanampiny manokana. Ary imbetsaka aho no nanao dingana hanatontosa izany… Saingy avy eo dia nisalasala indray, noho ireo zavatra hafa izay mahafa-po ahy ihany koa, ary efa eo amin’ny fiainako...

Kanefa, ilay “mihoatra” ao am-ponao, ilay feo manakoako avy amin’Andriamanitra… henonao ve ?

πŸ‘‰ Tsy hoe napetrany tao am-pon’i Gideona fotsiny ilay "mihoatra" fa niresaka taminy mivantana mihitsy Izy:  "Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?" (Mpitsara 6:14)

Ny ankizy rehetra angamba mahalala fa lehilahy matanjaka i Gideona. Afa-tsy Gideona tenany. Adinony angamba izany, raha tsy izany tsy ho nasain’Andriamanitra nohamafisina taminy hoe : "amin’izao herinao izao !"

Ary ianao koa, ao anatin’ny tahotra sy fisalasalana, angamba adinonao fa efa manana izay rehetra ilainao ianao hanatanterahana ilay "mihoatra" napetrak’Andriamanitra ao am-ponao !

Vonona ve ianao hanaraka ilay "mihoatra" ao am-ponao ? Hiezaka hahafantatra sy hanatanteraka azy bebe kokoa anio ?

Inona no tahotra na fisalasalana manakana anao ? Andriamanitra nahita ny herin’i Gideona, satria nahita ny Heriny tao amin’i Gideona Izy. Gideona kosa tsy nahita ny herin’Andriamanitra, satria natoky ny heriny manokana fotsiny izy. Azonao ve ny tiako ambara?

Aza miankina amin’ny fahaizanao fa Andriamanitra dia manana ny fahaizany !

πŸ’Ž Ilay "mihoatra" ao anatinao io dia tokony hipoitra ! Satria tena ilain’izao tontolo izao!

Ahoana no endrik’ilay "mihoatra" ao aminao anio ?

Fahagagana ianao !

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.