๐ Fanomezana ny fiainanao!
Efa nandray fanomezana izay tsy mendrika ny horaisainao ve ianao?
Amin’ny maha olon-dehibe antsika dia manana izao fomba fisainana izao isika hoe “tsy maintsy miasa vao mahazo vola”, izany hoe mila miasa isika raha te hahazo ny zavatra tadiavintsika.
Tiako ery ny tsy fananan’ny ankizy an’izany fomba fisainana izany: vonona foana izy ireo handray fanomezana maro.
Tsy mahatsiaro ho tsy mendrika handray izany izy ireo, tsy mba mandà ary tsy mihevitra akory hoe tsy tokony handray izany… ny mifanohitra amin’izany aza no ataon’izy ireo! =) Ilay zanaka vavy kelinay izao mitsinjaka sy faly ery isaky ny tolorana fanomezana.
Isika olombelona matetika dia manana fahazarana manasaro-javatra, kanefa ny zava-misy eto amin’ity fiainana ity dia fanomezana avy amin’Andriamanitra avokoa, ary mahafaly Azy ny manolotra antsika izany rehefa mifandray Aminy isika.
Jereo ny ambarany ao amin’ny Baiboly: “Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.”(Salamo 127:2)
Waouh! Andriamanitra tokoa no Mpanome, ary faly Izy manome antsika ny Fitahiany, toy ny ray izay faly manome ny fanomezana tsara indrindra ho an’ny zanany.
Ry namako, manantenà ny hahazo fanomezana sy zava-tsarobidy avy amin'Andriamanitra ho an'ny fiainanao! Rehefa mitoetra mahandry ny fahasoavana avy an’Andriamanitra ianao, dia afaka mankasitraka tanteraka ny fiainanao, sy mitombo fahatokiana Azy amin’ny dingana ara-pinoana rehetra ataonao miaraka Aminy.
Fahagagana ny fisianao!
