• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 15, 2026

Fanomezana malalaka

Andro namoahana Okt 15, 2026

Mety efa nisy fotoana angamba ianao nindrana zavatra tamin’olona, tsy voatery ho vola fa mety hoe fitaovana, na akanjo na fiara….. Mialohan’ny niresahanao taminy dia hinoako fa nisaintsaina ny ho lazaina ianao ary mety efa nisafidy olona roa na telo hafa koa sao dia tsy manome ilay noeritreretinao. Efa misy kisarisary maro ao an-dohanao hoe izao no lazaiko, dia izao no havaliko sns….

Nisy fotoana aho ohatra nila fitaovana iray izay fa tena tsy naha-tombon-tsiraka mihitsy aho fa niodikodina teo fotsiny nitady ny hevitra ampidiriko ny resaka. Ny tena nampalaelo tamin’izay dia noesoesoin’ilay olona aho no niaro latsa ihany koa. Nilaiko moa ilay izy dia nampangina ny tato am-poko aho fa raha tsy izany dia tena najanoko tany…. efa tratra toy izany ve ianao? 

Ity andinin-tsoratra masina ity dia nahakasika ahy manokana, elabe taty aoriana. Tena marina izany hoy aho anakam-po….. Hoy ny   Jakoba 1:5  “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”

Fahendrena, Fitaovana tena mahery vaika entina hiatrehana ny fiainana. Fahendrena entina ahatakatra ny safidy mety atao sy ny tsy tokony atao na aleha. Fahendrena tovozina ao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny. Fahendrena hanavahana ny tsara sy ny ratsy ka handrosoana ho amin’ny anjara voatendry. Ary izay maniry hanana izay dia afaka mangataka malalaka amin’Andriamanitra, izay tsy toy ny olombelona fa manome malalaka sy tsy mandatsa. Andriamanitra irery mahalala ny tena ilainao ka na mety mbola tsy voateninao aza dia efa hainy izay ho ambaranao Aminy (Vakio Matio 6:8)

Tsara loatra io Andriamanitra io, sa ahoana hoy ianao? 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny