• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 27, 2025

šŸŽ Fanomezana kely isan’andro…

Andro namoahana Mar 27, 2025

Mbola tsaroanao ve ny tany am-pianarana na tany amin’ny “lycée”? Izaho manokana dia manam-pahatsiarovana mamy ny amin’izany…

Mihomehy foana aho rehefa mieritreritra hoe tamin’izaho mbola mpianatra, dia naniry handeha haingana tany amin’ny lycée. Rehefa tonga tany amin’ny lycée aho, dia naniry ho vita fianarana haingana mba hidirana amin’ny oniversite. Ary rehefa tany amin’ny oniversite indray aho… dia efa naniry ny hiasa haingana araka izay azo atao !

Ny mahatsikaiky dia izao : rehefa mieritreritra an’izany aho ankehitriny, dia mahatsiaro te hiverina amin’ireo fotoana ireo, na dia indray mipi-maso fotsiny aza. Efa tsapanao ve izany ?

Amin’ny maha-olombelona, dia antsoina hiroso sy hitombo amin’ny lalana efa voaoman’Andriamanitra ho antsika isika, ary tena sarobidy izany. Ny olana nefa dia matetika isika maika loatra, ka tsy mahatsikaritra akory izay ananantsika amin’izao fotoana izao. Raha tsy mitandrina, dia mety hifantoka loatra amin’ny ho avy ka tsy hanome lanja intsony ny ankehitriny.

Jereo anie izay lazain’i Solomona ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny e :“Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra” (Mpitoriteny 2:24)

Ry namako, Andriamanitra dia maniry hahita anao mankafy ny fiainanao amin’ny antsipiriany kely rehetra, tahaka ny ataonao amin’ny asanao. Mazotoa mianatra, miasa, mitady fisondrotana, manatsara ny toeranao na manatanteraka ireo tetikasa sy vina napetrak’Andriamanitra tao am-ponao… saingy aza adinoina ny mankafy ny ankehitriny, satria fanomezana avy amin’Andriamanitra ho anao izany.

šŸ’ Ianao dia fanomezana avy amin’Andriamanitra.

Eric CƩlƩrier
Mpanoratra

Eric CƩlƩrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.