Fankatoavana: fanekena an-tsitrapo fa tsara sy mety

Mandritry ny andro maromaro dia hiresaka lohahevitra izay inoako fa tena hampahery anao aho, dia tsy inona fa ny “fankatoavana”.
Voalohany indrindra dia handeha ho faritana aloha ny atao hoe : “fankatoavana”. Araky ny rakibolana Malagasy dia “Fanekena an-tsitrapo fa tsara sy mety” ny atao hoe mankató.
An-tsitrapo izay midika hoe tsy misy fanerena fa safidy malalaka. Ary manaiky fa tsara sy mety izany.
Vao kely ny zaza dia ampianarina mankató: asaina misaotra rehefa omena zavatra, manao azafady raha mila mandingana na maka zavatra tsy an’ny tena, asaina mihaino sy manaraka ny tenin’ny ray sy reny na ny mpampianatra azy…. Ary atao ao an-tsainy fa izany no “tsara” sy “mety” tokony atao. Haintsika tsara ilay voalazan’ny Baiboly hoe “Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany” (Ohabolana 22:6). Rehefa zarina amin’ny zavatra iray na fomba fanao iray ny zaza dia iny no heveriny fa tsara sy mety ary sarotra mihitsy ny hanova azy amin’iny, indrindra moa ka zavatra tsy milamina no nampianarina azy satria lasa raiki-tapisaka ao anatiny iny ary tsy hiala mora ao anatiny.
Toy ny spaonjy ny atidohan’ny zaza, ka mandray izay reny sy hitany mora foana. Eo no mila hitandremana tsara ny hanazarana azy, mba ahitana vokatsoa maharitra amin’ny fiainany. Betsaka isika ohatra ny miteny amin’ny zanantsika hoe mivavaka alohan’ny sakafo. Mora foana amin’iny zaza iny avy eo ny mivavaka, tsy menatra, rehefa mialohan’ny sakafo na eo imasonao na tsia satria efa zatra izy. Satria fantany fa tsara sy mety izany. Tsy mila terena be izy fa ataony an-tsitrapo.
Mahasarika ahy hisaintsaina antsika koa tamin’ny vao nateraka indray izany. Nankatoa sy tena nirehitra tokoa isika, satria nanaiky an-tsitrapo fa tsara sy mety izany. Sa ahoana? Mino aho fa tsaroanao ianao tsy te hiala tao am-piangonana, nivavaka andro aman’alina, nanaiky hifady hanina sy hanompo ny Tompo….. Mety hoy ianao hoe ka mbola izany ihany aho hatramin’izao eee….Tsara raha izay fa indrisy rehefa nandroso isika sy nisedra olana dia matetika ny hakamaroantsika somary niova, nalaindaina, tsy nadio am-po toy ny zaza intsony ary ny sasany aza moa dia namotsitra. Mino aho fa tsy ianao izay. Tsy ampy fahazarana/fanazaran-tena ka lasa nametram-panontaniana maro sy nisalasala, indrindra rehefa nandalo ny tafiotra sy ny orambe.
Koa amin’ity andro voalohany ity, tahaka ny ahoana ny refim-pankatoavanao? “Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina (mankató) hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio dia….”(Deotoronomia 28:1)
Raha mahaliana anao dia manasa anao aho hanaraka eto indray rampitso. Mivavaka aho hitoetra anaty fankatoavana dieny anio ianao ary higoka ny voka-tsoan’izany eo amin’ny fiainanao.
Fahagagana ianao!

