• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 12, 2025

🗯 Fanjohian-kevitra mandainga!

Andro namoahana Feb 12, 2025

Ny eritreritra mamitaka matetika dia avy amin’ny tsy fahafantarana ny fon’Andriamanitra fotsiny. Noho ny tsy fahampian’ny fahalalana ny Toetrany dia voatarika hieritreritra zavatra diso momba Azy isika.

Ohatra, mino isika fa tsara Andriamanitra ary maniry ny tsara indrindra ho antsika, kanefa mino koa isika fa tsy te hanome antsika izay rehetra irintsika Izy. Koa indraindray isika dia mamela fomba fiteny malaza sasany hiditra ao an-tsaintsika, toy ny hoe: “Mangeja antsika Andriamanitra, nefa tsy manakenda antsika”. Ary tsikelikely dia manjavozavo ny fahitantsika an’Andriamanitra ary tena tsy misy ifandraisany amin’ny maha-Izy Azy mihitsy.

Tena tia anao Andriamanitra satria Rainao Izy, ary tiany ho anao ny tsara indrindra. Tena maniry izany ho anao Izy. Mino izany ve ianao?

Diniho izay lazain’ny tapany voalohany amin’ity andiany ity: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa, ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5). Andeha hojerentsika ny fomba nanehoany izany:

  • Raha mila zavatra ianao (eto, fahendrena), mangataha amin’Andriamanitra.

  • Manome ny olon-drehetra Izy, fa tsy misy hoe misy tiany manokana (ary ianao anisany).

  • Manome betsaka Izy fa tsy mitsitsy, satria malala-tanana tokoa.

  • Ary manome tsy arahin-tsiny Izy. Tsy manao fanamarihana amin’izay mangataka Aminy Izy, fa ny mifanohitra amin’izany, dia mamporisika azy hanao izany Izy.

Ireo andininy ireo dia mifarana amin’ny filazana fa hamaly ny fangatahanao Andriamanitra, ary homeny anao izany. Tsy hoe ny hitahy anao ihany no iriany, fa ianao koa dia manana ny Fampanantenany fa hanao izany Izy. Tena faly Izy rehefa manome ny zanany!

Angamba ianao miteny anakampo hoe: “Nangataka zavatra maro tamin’Andriamanitra aho nefa tsy nomeny ahy mihitsy izany, ka tsy fantatro...”. Raha ianao io dia te hanasa anao aho mba hisokatra foana ny sainao amin'ity herinandro ity, satria misy zavatra maromaro mety manakana ny fitahian'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao… ary ny voalohany amin’izany dia mety ny fomba fahitanao an’Andriamanitra mihitsy. 

Raha mino ianao fa sarotiny Andriamanitra, na olona tena tsy azonao itokisana, na tsy misy dikany, na mpanao didy jadona mihitsy aza... dia fantaro fa ny fiheveranao Azy dia hanakana anao tsy handray na inona na inona avy Aminy. Eny, tena firoroan-tsaina tokoa izany: amin'ny lafiny iray, mino ianao fa tsara sy be fitiavana Andriamanitra, ary amin'ny lafiny iray, mino ireo hevitra rehetra izay mifanohitra amin'ny fahatsaran'Andriamanitra lalina ianao… Tsy mitombina mihitsy izany.

Ry namako, esory hiala amin'ny fiainanao ny hevitra rehetra manohitra an'Andriamanitra! Tena tsara Izy, Izy no Olona tsara indrindra eo amin'izao rehetra izao, ary izay fanafintohinana na eritreritra ratsy rehetra anananao momba Azy dia lainga avy any amin'ny maizina mba hampalemy anao.

Mangataha amin’Andriamanitra anio mba hanampy anao hahatsapa bebe kokoa ny fahatsarany eo amin’ny fiainanao sy hiditra ao amin’ny fitahiany feno. Rahampitso isika dia hiresaka momba ny fanalahidy iray izay hanampy anao hiorina bebe kokoa amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.