• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 30, 2026

Fanina ve ianao?

Andro namoahana Aog 30, 2026

“Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,” (1 Timoty 4:1)

Namaky io andininy io aho rehefa lasa kelikely ilay namako. Avy nitantara ahy antsipiriany ny fandehanany matetika any amin’ny dokotera misahana ny ati-fanahy noho ireo olany ara-pahasalamana. 

Ankilan’izany dia nanaraka fampianarana izay tena lafo vidy izy handrosoany amin’ny fandraharahany. Dia nividy ihany koa fanampin-tsakafo avo lenta izay nisy nampiranty taminy nandritry ny fotoana hariva iray. Nahatsapa manokana izy fa nila fanatsarana farak’izay aingana ny ara-batany. 

Eo am-pihainoana azy aho dia fanina. Tsy hoe vola be no laniany fa fotoana maro ary indrindra hoe : tsy mitondra azy amin’ny fiadanana izay iriany fatratra akory ny tena marina. 

Rehefa very ny fiadanantsika nefa mikaroka ireo azo atao rehetra isika dia fotoana izany hanitsiana ny fomba fisainantsika.

Izaho manokana tamin’io andro io dia avy any amin’ny dokotera koa ary nasaina ihany koa nandeha nijery dokoteran’ny foto-pisainana: “Tena malaza izy amin’ny resaka am-para-atoka. Tena hanampy anao izy hanokatra ny fanahinao indray”

Vonjeo!!! Azonao an-tsaina ve? Olona misahana ny ara-pihetsem-po, olona mihevitra ny fiainana sy ny amparahatoka rehetra ity. Mifanojo matetika amin’io andinin-tsoratra masina io isika! Ary noho ny maha-sarobidy an’izy io dia averiko indray hoe : “Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia” (1 Timoty 4:1)Tsy hoe diso daholo fa misy ihany ny tsara sy azo raisina! Fa mialohan’ny zavatra rehetra, dia mila avoitra ny “fototra masina hiorenan’ny Filazantsara”.

Satria io “fototra masina hiorenan’ny Filazantsara” irery ihany no mampahafantatra antsika raha sendra diso lalana isika. 

Matio 6:33 “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”

“Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:19)

Ny fototra masina hiorenan’ny Filazantsara dia ampatsiahy anao eo noho eo ity fahamarinana sarobidy ity : “Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.” (Jeremia 10:6)

Ny marina : Ny Andriamanitrao irery ihany no afaka manao izay ezahin’ny olombelona tanterahina.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.