• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 8, 2025

Fandresena mahatretrika

Andro namoahana Aog 8, 2025

Manomboka anio isika dia haka olona avy ao amin’ny Baiboly izay niavaka tamin’ny fankatoavany na ny tsy fankatoavany. Inoako fa handray lesona isika ny amin’izany. Tsarovy fa ny tanjona dia isika no miova ary mitondra fiovàna eo amin’ny tontolo misy antsika ary hipaka hatramin’ny firenena iray manontolo.

Hatombontsika amin’i Mosesy ary. Izy dia nisedra zavatra maro fa ny hasongadintsika dia izy nanaiky hiverina tao Egypta ary nangataka tamin’i Farao ny hamotsoran’ity farany ny zanak’Israely tsy ho andevo tao intsony. Nitsiky kely aho nisy fotoana namaky io tantara io satria raha izaho no teo amin’ny toerany dia mety… “mety” hoy aho… namotsitra aho rehefa nandà in-droa, in-telo i Farao.

Fa nankató foana Mosesy. Andriamanitra izao mihitsy no niteny azy hoe mandehana fa nefa ho hamafisiko ny fon’i Farao…Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy…” Exodosy 14:4 Heyyy… raha ianao no teo dia tahaka ny ahoana ny nataonao?

Fa nankató foana Mosesy. Nitabataba azy ny zanak’Israely nanoloana ny ranomasina mena hoe very, notarihiny tamin’ny lalan-diso… fa nefa rehefa nivavaka izy ka nasain’Andriamanitra naninjitra ny tanany hanasaraka ny ranomasina mena dia nataony izany. Zavatra tsy mbola nataony hatrizay, inoako fa vao maika niteny ny olona hoe fa ianao ve lasa adala amin’ilay fivavahana e? Maninjitra tanana dia ranomasina be io hisaraka?🤔🌊 Fa tsy nahoan’i Mosesy izany fa nankató foana izy ary haintsika ny tantara fa dia nivoaka tam-pandresena goavana izy ireo.

Na inona na inona mety lalovanao, na tahaka ny ahoana ny habean’ny olana manoloana anao na izay lazain’ny olona momba anao dia misafidiana hankatoa ny Tenin’Andriamanitra hatrany. Ifantohy izany fa ho tanterahin’Andriamanitra aminao ny nolazainy tamin’ireo zanak’Israely manao hoe : Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.” (Exo 14:14)

Tahiana manokana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.