Fandresena lehibe no miandry anao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Fandresena lehibe no miandry anao !

Raha tsy maintsy mamaritra ny teny hoe “fianinana” isika, dia hataoko hoe fahaizana mahatsapa fahafaham-po anatina toe-javatra iray voafaritra. Mino aho fa hevitra tsara hamaritana azy izany.
Inona eo amin’ny lafim-piainanao no ahatsapanao matetika fianinana ?
Indraindray misy zavatra kely isan’andro izay miteraka fianinana marina sy fahafaham-po ao anatintsika. Mety ho fitsangantsanganana maraina, mety ny asanao, mety ny fanasana lovia mialoha ny hatory, sns.
Ary mety misy sehatra hafa tsy voasakanao ny mitaraina sy ny mahatsapa ho sorena na maratra.
Androany, te haka andinin-tsoratra masina roa malaza indrindra momba ny fianinana aho. Izao no lazainy : “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa [satria] tsy hahatondra na inona na inona hiala.” (1 Timoty 6:6-7,)
Tiako ny fanazavany fa ny fampiarahana ny fivavahana amin’ny fahafaham-po dia “tombony lehibe.” Tsy vitan’ny hoe zavatra tsara na mahatehotia fotsiny izany, fa tena mitahy antsika sy mitondra tombontsoa maro ho antsika. Ireto ny sasany amin’izy ireo :

  • Mankafy misimisy kokoa izay rehetra ataontsika sy ananantsika isika, satria tsapantsika kokoa ny fitahian’Andriamanitra.
  • Mifantoka amin’izay tena manan-danja isika ary tsy manaiky ho varian’ny zava-poana ety amin’izao tontolo izao.
  • Manampy antsika hahatakatra sy hahazo zavatra bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika izany, miaraka amin’ny fahaizana manavaka ny zavatra avy amin’Andriamanitra sy ny zavatra avy amin’ny haizina.


Eny ry namako! fandresena lehibe ho an’ny fiainanao no miseho aminao rehefa manompo an’Andriamanitra amin’ny fifaliana feno sy ny fahatsoran’ny fonao ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!