• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 19, 2025

😭 Fanamelohan-tena

Andro namoahana Jol 19, 2025

Nahatafavoaka fehezanteny izay tsy tokony nolazaiko mihitsy aho. Moa tsy tokony navadibadiko im-pito ve ny lelako?

Tsy fantatro izay nahazo ahy. Avonavona tao aorian’ilay seminera iny ve? Na izany aza, fehezanteny iray no nivoaka avy teo am-bavako izay niteraka zavatra be dia be, kanefa voalaza hoe: 

“Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29)

Eny, mifanohitra amin’izany ny vokatry ny teniko tamin’izay fotoana izay! Nahafinaritra anefa ny tontolo androko ary ny lahateny nataoko koa dia tena nisy lanjany sy lesona maro. Saingy rehefa hariva ny andro, rehefa nilamina ny atmosfera ary tsy nahatandrina ny teniko intsony aho, ka nanjary tena nanimba zavatra be !

Tsy natory aho ny atsasaky ny alina, fa nanameloka ny tenako toy izao: “ IANAO mihitsy nge no tokony namelabelatra an’izay zavatra nasehonao teo! Ary raha kivy taminao daholo moa ireo mpanatrika rehetra ka tsy te hifampiraharaha aminao intsony?” Tra-nenina tanteraka aho! 

Misedra fotoana tahaka izany koa ve ianao? Manome tsiny ny tenanao? Mety ho latsaka ao anaty fandrika imbetsaka hatrany ianao ka alaim-panahy hieritreritra fa tsy te hamela heloka anao intsony Jesosy.

Amin'izay fotoana izay, tsarovy mandrakariva ny teny ao amin’ny Jaona 10:10
 ny devoly tonga mba hangalatra
 mba hangalatra ny fifalianao sy ny ho avinao!

Ny devoly tonga hangalatra, Andriamanitra tonga hanome!

Azonao ve izany?

Tsy hay hazavaina ny fahasoavan’Andriamanitra – kanefa mbola tiany homena anao izany anio!

Tamin’io maraina io ihany, dia nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hamela ny heloko ary nosokafako ny Baiboliko. Nitodika tany amin’ny Salamo faha-25 ny masoko, manao hoe: “Andriamanitro î, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.” (Salamo 25:2).

Arak’ izany, tsy vitan’ny hoe takatro fa niaina toy izany koa i Davida, fa tamin’izay fotoana izay koa, dia resy lahatra aho fa tsy tokony hanalavitra an’Andriamanitra mihitsy isika. Aleo mitodika Aminy, na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza!

Satria Izy no manana ny vahaolana ho anao. Vonona hamela heloka anao Izy; tia anao mandrakariva Izy!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.