• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 29, 2024

🌾 Fampitomboana sy fandresena !

Andro namoahana Jon 29, 2024

 

Efa mamaraparana ity andiany miavaka ity amin’ny iray amin’ireo salamo tiako indrindra isika : Salamo 1.

Hitantsika teo aloha teo  ny fitahiana azon’ny olona manaraka ny fitsipika telo resahin’io Salamo io. Hoy ny mpanoratra ny Salamo: “Mamoa amin’ny fotoany izy, ary tsy malazo ny raviny.” (Salamo 1:3).

Tian’Andriamanitra hahavokatra ny fiainanao. Hoy i Jesosy : “zany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.” ( Jaona 15:8).

Rehefa mankatoa an’Andriamanitra sy manana fifandraisana velona Aminy isika, dia misy karazana vokatra roa miseho eo amin’ny fiainantsika : ny vokatry ny Fanahy Masina sy ny fitahian’Andriamanitra, izay vokatr'izany fankatoavana izany.

Tao amin’ny Testamenta Taloha dia efa nisy resaka momba ny fitahiana tian’Andriamanitra harotsaka amin’ny olony. Hitantsika izany ao amin’ny toko faha-28 amin’ny bokin’ny Deoteronomia. Ireto misy vitsivitsy :

  • Fitahiana eo amin'ny fifandraisantsika.
  • Fitahiana amin'ny asantsika.
  • Fitahiana amin'ny raharahantsika.
  • Fitahiana ho an'ny zanatsika.
  • Fampitomboana sy fandresena !

Tena sarobidy loatra izany ! Mila ny fitahian’Andriamanitra amin’ireo lafiny rehetra ireo aho, ary ianao? =) Fa raha ny marina, ny tiako indrindra dia Izy ! Izy no zava-drehetra, ary raha tsy misy Azy dia tsy misy dikany !

Ry namako, ny fitiavanao an’Andriamanitra anie hameno ny fiainanao amin’ny vokatra rehetra, na ara-panahy na ara-batana. 

Ary anio, araka ny voalazan’ny andininy anio, dia mivavaka aho mba tsy halazo ny ravina, ary tsy hisy ravinkazo mihintsana, mba ho vonona mandrakariva haniry indray eo amin'ny Fanatrehany ian

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.