Faly Andriamanitra maneho aminao ny fahasoavany
Ry Namako, tsy hitovy amin’ ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra anao mihitsy ny haben’ny fahadisoanao. Mazava be izany, nefa indraindray toa vesaran’ny fanamelohan-tena ianao ka mahavita mieritreritra hoe… “ tsy mbola afaka mivavaka aho” na koa hoe “tsy afaka miseho eo anatrehan’Andriamanitra amin’izao toetrako izao aho”.
Tsy misy olona afaka manadio ny tenany na manafaka ny tenany irery raha tsy hampian’Andriamanitra. Izy no manadio. Izy no mividy. Manatona fotsiny ary raha ilaina izany, mangataha ny hamelany ny helokao. Mahatoky sy tsara Izy. Hofafany ny helokao. Hoy Jesosy, ao anaty Baiboly…
“Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra” (Hos. 6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.” (Ny Baiboly, Matio 9.13)
Eken’Andriamanitra amin’izao maha-ianao izao ianao ary na inona na inona toerana misy anao. Vonona ny hikarakara sy hampionona anao Izy, ny hamihina anao amin’ny sandriny. Mamindra fo sy feno fitiavana Izy. Tena faly be Izy maneho ny fahasoavany aminao, ry Namako.
Raha mety ianao dia ataovy izao vavaka izao : “Andriamanitro o ! mangataka famelana aho noho ny fahadisoako. Esory ao am-poko izany vesatra izany. Te hiaina ny fahafahana marina ao Aminao aho ary handray ny fahasoavanao. Misaotra noho ny famindraponao. Amena.”