Fakan-drivotra izao! ⏰

Tadidinao ve ny fahazazanao? Izaho dia manana fahatsiarovana tena tsara ny fahazazako, indrindra fa ny tany am-pianarana.
Tsaroako hoe nifandefa taratasy kely izaho sy ny mpiara-mianatra tamiko. Nahafahanay nifampizara hafatra miafina miaraka amin’ny mpinamana akaiky indrindra izany. Misy fotoana hitan’ilay mpampianatra izahay, dia bedy, fa hitako hoe nahafinaritra izany! 😜 Ny fotoana ankafizinay indrindra dia ny fakan-drivotra: eo izahay no nivory ary nifampizara ny tsiambaratelonay lehibe indrindra sady milalao. Sarobidy ny minitra tsirairay, ary tsy maintsy nanararaotra izany izahay vao niverina tany an-dakilasy.
Tia antsika Andriamanitra ary mandefa hafatra kely ho antsika mandrakariva Izy. Tia miresaka amintsika sy manambara zavatra amintsika koa Izy! Miresaka foana amintsika amin’ny fomba maro koa Izy. Tsy misy zava-tsarobidy kokoa noho ny miaina eo amin’ny Fanatrehany, fotoana “fakan-drivotra” miaraka Aminy, izay hizarantsika ny tsiambaratelontsika Aminy sy hihainoana ny zava-miafiny. Tena fotoana mahafinaritra tokoa ireo!
Nampanantena toy izao Andriamanitra: “Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana;” (Isaia 56:7). Eny, tsy misy na inona na inona afaka mameno antsika amin’ny fifaliana lehibe toy ny Fanatrehan’Andriamanitra. Fotoana izao hiainanao ny fialan-tsasatra avy amin'Andriamanitra!
Manana fahazarana manokana fotoana irery miaraka amin’Andriamanitra ve ianao isan’andro? Raha toa ka mbola tsy nanao izany ianao, dia mamporisika anao aho hanokana minitra vitsivitsy eo amin’ny Fanatrehany isan’andro. Afaka atombokao amin’ny filazanao Aminy fotsiny izay ao am-ponao sy izay tsapanao ary izay irinao. Ho hitanao fa arakaraka ny hanaovanao izany no ahatonga ity fotoana ity ho maminao indrindra ao anatin’ny tontolon’andronao 😍.
Ato am-poko ianao ary mivavaka ho anao aho.

