Fahintsina !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Fahintsina !

Ny iray amin’ireo toetra tena tiako indrindra amin’ireo noresahin’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo nataony dia izao: “Na dia manao teny fikasana sarotra aza izy, dia tsy maintsy hotanterahiny.” (Salamo 15:4). Tena tsara ny mahita olona manana an’ izany toe-tsaina izany, na dia tsy fahita firy intsony aza ny toy izany amin’izao andro ankehitriny izao!

Ny olombelona dia mirona hiezaka hatrany hahazo izay tadiaviny amin’ny fomba rehetra. Izaho manokana dia efa sendran’ny olona maromaro izay mamadika ny zavatra nifanarahana mba hahazoana tombotsoa manokana,

Amin’ny ankapobeny dia manana toetra sahisahy ireny olona ireny, tsy misalasala miady hevitra ampahibemaso ary maneho ny maha-marina azy mihitsy aza, nefa mazava ho azy fa mitady hamitaka ny hafa sy hanararaotra ny zava-misy. Efa nahita olona toy izany koa ve ianao?

Ity andininy ity dia manome famaritana hafa tanteraka. Raha mamaky azy io aho dia ny sary tonga ato an-tsaiko voalohany dia tovolahy iray azo itokisana. Olona marin-toetra, olona manan-kaja, izay  mamita tsara ny zavatra hataony, na dia tsy hahazoany tombony  firy aza.

Toy izany  ny fon’Andriamanitra. Tsy maizina ary tsy miova araka ny zava-misy. Tsy mikatsaka ny hanararaotra ny hafa Izy, fa ny mifanohitra amin’izany, dia omeny amim-pahalalahana izay rehetra ilaintsika isan’andro, eny fa na dia ny Ainy aza natolony teo amin’ny hazo fijaliana, noho ny fitiavany antsika, mba hamonjena antsika. 

Ry namako, mendrika iitokisana Andriamanitra, ary tokony ho toy izany koa isika. 

Eo amin’ny fiainanao, raha mahita toe-javatra ahitantsika tombony isika, kanefa tsy ara-drariny, na manana toe-tsaina  mikatsaka ny hanararaotra ny hafa amin’ny fomba tsy miharihary, dia zava-dehibe ny hanadiovanao ny fonao. 

Anio, mankanesa eo anatrehany, mangataha famelan-keloka Aminy, ary aoka ny fitiavana sy ny afon’Andriamanitra handevona izay rehetra tsy marina ao anatinao. 

Manomboka anio dia mivavaka aho mba ho mahitsy tanteraka ny lalanao, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.” (Hebreo 12:13). Mino aho fa hitondra fiovana eo amin’ny manodidina anao ny fiainanao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!