🔦 Fahazavana ho an’ny ankohonanao ianao!
Niresaka momba ny oksizena avy any an-danitra isika sy ny maha zava-dehibe ny tsy hanafenana ny jiro izay hazavain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiainantsika.
Eny tokoa, ny andalan-teny hitantsika teo aloha dia manazava ny tokony hataontsika amin’io hazavana io. Voasoratra hoe: “Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.” (Matio 5:15)
Jereo fa voalaza hoe: misy toerana manokana hametrahana io jiro io, izay manana ny fiasany manokana.
Ny toerana voaomana ho an’io hazavana io dia ny fanaovan-jiro. Tsy afaka hamirapitratra ho azy ny hazavana: azo avy amin’ny lelafo izy io ary io lelafo io dia mila toerana azo antoka mba hahafahany mamiratra tsara.
Izany no antony nanaovana ny fanaovan-jiro amin’ny vy amin’ny ankapobeny mba hatafiditra tsara ny menaka sy ny labozia ka hahamora ny fiparitahan’ny hazavana. Inona ny asany? “Hanazava izay rehetra ao an-trano” (andininy 15)
Ry namako, fahazavana ho an’ny ankohonanao ianao.
Mamiratra eny rehetra eny ny fahazavanao, ary miavaka kokoa izany ao an-tokantranonao sy ho an’ireo fianakavianao. Mety misy amin’izy ireo tsy mbola mahafantatra an’i Jesosy na mety manohitra ny finoanao an’Andriamanitra mihitsy aza….
Kanefa, fantaro fa eo afovoan’ny haizina no hamiratra kokoa ny fahazavanao, ary hiasa eo amin’ny fiainan’izy ireo Andriamanitra amin’ny alalanao.
Aza adinoina mandrakariva fa miasa eo amin’ny ankohonanao Andriamanitra na dia tsy mbola mahita fiovana hita maso aza ianao. Miasa eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fahazavan’Andriamanitra, ary resy lahatra aho fa hahita fahagagana mahery vaika ianao, amin’ny fotoana mety nofidin’Andriamanitra.
Mamirapirata hatrany ary aza manary toky!
Fahagagana ianao!
