Fahazaranao koa ve indraindray ny mampitaha tena amin’ny hafa ?
Nisy fotoana aho nasaina hiteny tamin’ny hetsika iray tena tsara sy lehibe… dia tampoka teo, nolazaina tamiko fa nisy mpandahateny hafa nampiana tao amin’ny fandaharana. Tovovavy iray izay – mahatsikaiky ihany – mitovitovy amiko, ary tena mifanakaiky amin’ny fomba fitoriako ny azy.
Vao nifoha aho tamin’io 🥱, tsy mbola naka fotoana niaraka tamin’Andriamanitra… olombelona tsotra fotsiny aho tamin’izay. Ary ahoana no fihetsiky ny maha-olombelona antsika ? Mialona, mazava ho azy ! 🤷♀️ Araka ny voasoratra ao amin’ny Galatiana 5:19-21 : “Fa miharihary ny asan'ny nofo… fialonana…”
Rehefa hitako ny isan’ny mpanaraka an’io tovovavy io tao amin’ny tambajotra sosialy dia tsapako ho voahozongozona aho. Eny, izaho koa. Nikorotana ny saiko… nisalasala aho… mandra-piteniko mafy hoe AOKA IZAY 🛑✋ : “Tsy misy dikany izany. Na koa hoe : maha-olombelona fotsiny izany.” Niverimberina tato an-tsaiko indray ilay andininy hoe : “Fa miharihary ny asan'ny nofo… fialonana…” Ary manohy i Paoly hoe : “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.” (Galatiana 5:16)
Amin’ny teny hafa : “Mifohaza aloha, vao mamaly !”
Eny, avelao ny Fanahin’Andriamanitra hiasa — Izy irery no afaka manala io fialonana ao am-ponao io. Afaka manazava anao Izy, manome fiadanana, mampifantoka anao indray. Mazava ho azy, tsara ihany ny manontany tena hoe : “Angamba ve aho tsy nitandrina tsara tamin’ny iraka nomen’Andriamanitra ahy ? Handefa olona hafa ve Izy hanohy ny asany eo amin’ny toerako ?” 😬 Tamin’izay aho dia nijanona ka niteny anakampo hoe : “Tsy izaho no zava-dehibe, fa ny olona sy ny fon’izy ireo.”
Ary angamba ny drafitr’Andriamanitra tamin’io toe-javatra io dia izao mihitsy : IZAHAY ROA EO AMIN’NY SEHATRA. MIARA-MIASA. MIARA-MANOMPO. Mba hahitana fahagagana lehibe kokoa ! ✨
Eo indrindra no tadiavin’Andriamanitra ny fontsika - omena Azy manontolo. ❤️ Samy nomeny fanomezana manokana isika tsirairay - tsy mba hifaninana amin’ny hafa, fa mba hifameno amim-pahatokiana.
Ary ny fampitahana ? Aleo avela any.. 😉
Koa anio, diniho ny fonao. Amin’ny lafiny inona no tokony hijanonanao tsy hampitaha tena intsony - mba hanohizanao amim-pahatokiana ny zavatra napetrak’Andriamanitra taminao ?
Fahagagana ianao!