Faharetana….
Nisy fotoana aho nanao mofo. Dia maika ery aho hoe nanaraka ny torolalana rehetra ary nanantena ahazo vokatra tsara arak’izay. Nolazaina tao anatin’izay fa nila adiny roa mahery eo mba hampitombina tsara ny mofo sy ahazoana ilay endrika tsara. Tsindrindaona foana aho hoe vita ve, amin’ny firy izao…..
Dia nandritry ny fiandrasana tsy maintsy natrehiko, na tiako na tsia, dia mahatsiaro aho hoe misy fotoana koa ny valim-bavako miandry. Tsy hoe tsy homena ahy ilay izy fa mba ahazoako vokatra tsara dia mila mianatra mankato aho, manompo am-pifaliana tsy mimenomenona, manaiky izay fandaminana efa voalahatra….Toy ny zanakao ihany, tsy hoe vao teraka izy dia omenao ventin-kanina fa misy dingana arahina mba tsy hanimba na mety hamono azy mihitsy. Ny fandavanao tsy hoe mariky ny tsy fitiavana fa mampianatra tsikelikely hitombo.
“Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.” Lioka 24:49
Efa teo ny teny fikasana fa nila nianatra niandry aloha ny mpianatra ahafahany mahazo hery. Ary hatramin’izao vanim-potoana hiainantsika izao dia mitombo tsy hankiato ny vokatra noho ny faharetana sy ny fankatoavan’izy ireo.
Koa ianao koa aza maimaika. Rehefa voarainao ny teny fikasana momba ny ilainao dia mitoera ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra fa ho tafiny hery ianao handraisanao ny valim-bavaka andrandrainao.
Satria…..Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕