• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 5, 2026

Fa maninona ianao no milavo lefona ?

Andro namoahana Apr 5, 2026

Misy zavatra mahazo antsika matetika… “mandà ny fiadanana isika !” Ary izany indrindra no tiantsika hialàna amin’ny ho avy, sa tsy izany ?

Rehefa marary ianao ohatra, ka mila fanafody, dia mamerina matetika ny dokotera hoe : “aza atelina raha tsy misakafo”.

Dia toy izany koa, mila miaro-tena ianao, amin’ny fitandremana mba tsy hanatelina ny olana sy tebiteby isan’andro, raha mbola tsy misy na inona na inona ao anatinao. Ny fototra ilainao dia ny manomboka ny andronao miaraka amin’Andriamanitra.

Heveriko fa efa imbetsaka ianao no nahazo ity torohevitra ity, ary arakaraka ny toetranao no hahitanao izany ho mora na, ny mifanohitra amin'izany aza, ho sarotra.

Izany no mahatonga ahy mizara aminao ny fomba fanaoko. Manana efitra iray izay tsy handrenesana feo avy any ivelany aho, izay hanaovako ny fandraisam-peo ny “Fahagagana Isan’Andro”.

Raha vao miditra ao aho dia toy ny mikatona ny sofiko, ary tena mety amiko izany : mikatona amin’ny tabatataban’izao tontolo izao izy ireo ary misokatra amin’izay tian’Andriamanitra lazaina amiko!

Rehefa misokatra amin’izay tian’Andriamanitra holazaina aminao ny sofinao, dia hafa mihitsy ny fomba hiatrehanao ny tontolo andronao. Ao anatin’izany vavaka izany no manomboka ny tontolo androko. Ao anatin’io efitra io no hisaorako an’Andriamanitra an’ireo izay rehetra ataony. Ao ihany koa no hivavahako ho anao, ary indraindray mitomany amin’ny foko rehetra aho fa tsy azoko intsony izao tontolo izao… Inona ny zava-mitranga ?

Misy fotoana aho mipetraka fotsiny eo anoloan’ny Baiboliko ary mangataka amin’Andriamanitra mba hanome ahy andininy izay hanaraka ahy mandritra ny tontolo androko.

Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4.6-7)

Aza mandà ela intsony an’izany fiadanana tian’Andriamanitra omena anao izany !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.