• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 30, 2023

Eureka !

Andro namoahana Jol 30, 2023

Efa niaina fotoana « Eureka »ve ianao tato ato ? Hitanao ! iray amin’ireny fotoana ireny hoe nitady vahaolana ianao dia tampoka teo nisy jiro nirehitra ary nanome anao ihany ilay vahaolana.Ny fiteny hoe « Eureka » dia mifandray amin’ilay matematisiana grika Archimède, izay midika hoe “hitako ilay izy!”. Ny tantara dia milaza fa nanosika an’I Archimède ny Mpanjaka Hiéron mba hanaporofo aminy, nefa tsy manapaka izany, hoe vita amin’ny volamena madio ny satroboninahiny. Andro vitsitsy taorian’ny nitadiavany ny vahaolana, dia teo am-pandroana no nahitany ny fitsipiky ny fitsingevanana, izay fantatra amin’ny anarana hoe “principe d’Archimède”. Ny angano dia milaza fa teo am-panononana ilay fiteniny malaza hoe “Eureka !” izy no nitranga izany. Nafana fo tokoa izy ka nihazakazaka namakivaky ny araben’ny tanàna, sady tsy tonga saina fa niboridana tanteraka.Rehefa mahazo fanambarana amina sehatra manokana isika dia miova ny zavatra rehetra, ary fomba vaovao no ijerentsika ny zava-misy. Izany mihitsy no anasan’ny Baiboly antsika rehefa milaza izy : « fa mba hohavaozina kosa hianareo amin'ny fanahin'ny sainareo » (Efesiana 4:23). Manambara zavatra aminao Andriamanitra ao anatin’ny Teniny, ao anatin’ny vavaka, amin’ny alalan’ny Fahagagana Isan’Andro … mba hanavaozana ny sainao sy ny fiainanao manontolo. Manomboka amin’ny fanambarana ny fanavaozana !Mamelà ahy hivavaka ho anao : “Tompo o, mivavaka aho mba hiaina ny fanambaran’ny Teninao ity namako ity amin’ny fiainany isan’andro. Avaozy ho voninahitra mankany amin’ny voninahitra amin’ny alalan’ny Teninao ny fony. Asandratra anie ny Anaranao ! Amin’ny Anaran’I Jesosy. Amen !”

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.