• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Jol 19, 2026

Eo anoloanao ny FAHAGAGANA,

Andro namoahana Jol 19, 2026

“Ny mino fa afaka mamindra tendrombohitra dia mino ny herin’ny tena”. Oay! Tany amin’ny namako aho no namaky izany teny izany. Hoy aho hoe : Henjana izany teny izany!

Tsy vitan’ny hoe nangalarina avy tao amin’ny Baiboly fotsiny, fa koa navadika tamin’ny fomban’olombelona hany ka voafafa ny mety ho fiasan’Andriamanitra mahagaga eo amin’ny fiainantsika.

Amin’ilay tena izy, tahaka izao no fivakiny : “Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.“ (Marka 11:23)

Tia miditra an-tsehatra amin’ny fombany Andriamanitra - mahagaga - amin’izay fotoana izay, raha fijerin’olombelona, dia tsy hino ny hahatanterahan’ny nofinofinao intsony ianao!

Rehefa naniraka an’i Gideona izy hanavotra ny Israely, fantatrao ve hoe izao no nambaran’Andriamanitra : “Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.“ (Mpitsara 7:2)

Tsy mampino! Efa nihorohoro i Gideona niatrika ny ady lehibe, vao maika nanesoran’Andriamanitra 12.000 isa ny miaramilany… mbola misy 10.000 isa tavela, vonon-kiady!Tapitra hatreo ny fiarovan’olombelona! Fitokisana sisa tavela. Tsy amin’ny herin’ny tena, fa amin’ny herin’Andriamanitra! Ary izany indrindra no tian’Andriamanitra!

Raha manontany tena ianao, eo amin’ny fanatanterahana ny nofinofinao, toa mionona tampoka amin’ny fahafaham-po “madinika” noho ny tena fahatanterahana, dia afaka mivavaka amim-pahatokisana ianao hoe : “Rainay izay any an-danitra, misaotra Anao fa HIAINA ny fahagagako aho! Misaotra fa haneho ny herinao ianao amin’ny alalan’izay kely ananako. Noho izany, misaotra Anao ary midera Anao dieny anio! Hoderaina anie ny Anaranao! Amena!”

Eo anoloanao ny FAHAGAGANA!

Tsy noho ny herinao - fa noho ny Heriny!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.