• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 10, 2024

👣 Eo an-dalana mankany amin’ny fahagaganao

Andro namoahana Aog 10, 2024

 

“Mankaleo ahy ny maheno anao miresaka fahagagana satria tsy miaina izany akory aho”.

Maharay taratasy toy izany matetika aho.

Amin’ny lafiny iray, tena mampalahelo ahy ny mamaky izany. Saingy etsy andaniny, mahatsiaro tantaran’olona iray ao anaty Baiboly aho izay ahitako ny fampianarana nahatonga ny fahagagantsika. Te hizara izany hevitra izany aminao aho ry namako.

Rehefa naniraka an’i Gideona tokoa Andriamanitra dia namaly tamim-pahadisoam-panantenana toy izany mihitsy ity farany nanao hoe : « Aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe : Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? » (Mpitsara 6:13).

Nanokatra ny masoko tamina zavatra maro ny famakiana io andinin-tsoratra masina io :

  • Nanao fahagagana tamin’ny fiainan’ny “hafa” Andriamanitra dia ny ray aman-drenin’I Gideona izany. Mbola nisitraka ireo fahagagana ireo ity farany, saingy tsy tsapany intsony izany fa nanjary nandeha ho azy teo imasony !
  • Nanafaka ny ray aman-dreniny tany Egypta ny Tompo ary hitany izany. Saingy ninia tsy nihaino izy fa niaritra fanandevozana nandritra ny taona maro ireo sady tsy nahalala akory na ho velona ihany ka hahita ny fahagagany !
  • Ankehitriny, te hampiaina azy fahagagana manokana Andriamanitra ! Kanefa I Gideona dia tsy nankasitraka izay efa nataon’Andriamanitra taminy, sady tsy vonona ny hanao izay hahazoana ny fahagagany, izany hoe ny handalo fotoan-tsarotra toa ny ray aman-dreniny aloha. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia nila “nandeha” izy. Nandidy azy Andriamanitra :  “vonjeo ny Israely” (Mpitsara 6:14).

Ary tany am-parany dia efa niandry azy ny fahagagana ho azy manokana. Mivonòna hanaraka io lalana io mba hiainanao ny fahagaganao.

Ry namako, manàna fankasitrahana ny amin’ny fahagagana tamin’ny lasa ary matokia

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.