Eo am-pelatanan’Andriamanitra ianao
Teo am-pandriana narary aho no nijery ny fijoroana vavolombelon’ireo olona nogiazan’ny Hamas - na ireo ray aman-drenin’ireo ankizy izay nalaina an-keriny.
Ary ny nahagaga ahy dia ny horonantsary tsirairay dia nameno ny foko amin’ny fientanentanana. Indrindra ilay an’i Ditza Ohr, renin’ i Avinatan, izay nandre fa nisy naka an-keriny ny zanany.
Rehefa nampahafantatra azy izany vaovao ratsy izany ny zanany vavy - iray amin’ireo zanany fito mianadahy - dia nampiany hoe : “Neny o, tsy eny an-tanan’ny Hamas izy fa an-tanan’Andriamanitra”...Woww….enjana izany!
Mety hoe fifandrifian-javatra mampihomehy fa nanontany tena aho hoe : “Nahoana moa aho ny narary nefa anatin’ny fanomanana ny “conference-miracles” izay mila ny fifantohako tanteraka?” Resy lahatra aho fa tian’ny fahavalo ho potehina izay kasain’Andriamanitra hitahiana olona maro.
Io nolazain’io zazavavy io dia tena nandona ny foko no nanaitra ahy indray hoe: “Tsia an, ny “conference-miracles” dia tsy an-tanan’ny fahavalo satria: NY ZAVATRA REHETRA, eny NY REHETRA, dia an-tanan’Andriamanitra ary ho tanteraka araky ny sitrapon’Andriamanitra!”
Ho anao, inona no mety dikan’izany aminao anio? Amin’ny seha-piainanao tahaka ny ahoana no hilazanao hoe : “ Vita ….tsy ho tafavoaka intsony aho”? Mamelà ahy hamerina hilaza aminao: NY ZAVATRA REHETRA, eny NY REHETRA, dia an-tanan’Andriamanitra ary ho tanteraka araky ny sitrapon’Andriamanitra!
Ary na amin’ny fahitanao azy aza hoe “vita tanteraka” dia Andriamanitra tenany mihitsy no hamadika izany ho fifaranana tsara!🙌🏻
“Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo” (Romana 8:28)
Entintsika ho saintsainina anio: Satria ianao dia eo an-tanan’Andriamanitra ary afaka mandroso - na dia tsy mbola tazanao aza ny lalana dia efa voafaritra izany.🙏🏻
Fahagagana ianao!💖