• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Jol 18, 2026

Eo amin’ny lalana mankany amin’ny fahagaganao

Andro namoahana Jol 18, 2026

"Leo aho mandre anao miresaka fahagagana foana. Sady tsy miaina an’izany aho." Matetika aho no mahazo hafatra mivantana toy izany.

Voalohany, tena malahelo aho mamaky izany. Fa avy eo, misy tantara iray ao amin’ny Baiboly tonga ao an-tsaiko. Misy lesona sarobidy ao anatiny. Lesona izay mety hitondra antsika ho any amin’ny fahagagantsika. Tiako hozaraina aminao izany anio.

Rehefa nomen’Andriamanitra iraka i Gideona, dia namaly tamim-pahakiviana izy hoe: " Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah?" (Mpitsara 6.13)

Rehefa mamaky io andininy io aho, dia misy zavatra maromaro hitako.

1- Nanao fahagagana teo amin’ny fiainan’ny ray aman-drenin’i Gideona Andriamanitra. Mbola nahazo tombony tamin’izany i Gideona.Nefa tsy tsapany intsony izany. Efa lasa zavatra mahazatra loatra taminy mantsy izany!

2- Nanafaka ny ray aman-dreniny avy tany Egypta ny Tompo - hitany izany. Fa ny hoe niaritra fanandevozana nandritra ny taona maro izy ireo ary tsy fantany raha ho velona izy na hahita ny fahagagany amin’ny farany, dia tsy tiany hohenoina!

Ankehitriny kosa, tian’Andriamanitra hiaina ny fahagagany manokana i Gideona! Kanefa i Gideona dia tsy nankasitraka izay efa nataon’Andriamanitra ho azy. Ary tsy vonona hanao zavatra ho an’ny fahagagany koa izy. Mety hidika aza izany hoe handalo fotoan-tsarotra aloha, tahaka ny ray aman-dreniny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy maintsy "mandeha" izy .Nomen’Andriamanitra baiko izy hoe: "vonjeo ny Isiraely" (Mpitsara 6.14)

Ary teny amin’ny faran’io lalana io no niandry azy ny fahagagany manokana. Raha te hiaina ny fahagaganao ianao, dia miomàna hanaraka io lalana io!

Mankasitraha an’Andriamanitra noho ireo fahagagana tamin’ny lasa. Ary matokia Azy amin’ilay fahagagana manaraka na dia mbola tsy hitanao aza izany ankehitriny.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.