• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 13, 2026

Eo am-baravarana ny fahagaganao

Andro namoahana Jol 13, 2026

Reraka koa ve ianao ?

Saika hatory aho... nefa vao tamin’ny 6:30 hariva monja! Tena vizana aho taorian’iny herinandro lava iny ka zavatra iray ihany no niriko : ny hitsotra eo ambony seza lava…

Dia tamin’izay nisy nandondòna ny varavarana. Fantatrao ve ireny fotoana ireny ?

Matetika izany no mitranga rehefa saika hisakafo iny ianao ka mbola mafana tsara ny sakafonao, na koa mbola misy sakafo eo amin’ny tavanao na eo anelanelan’ny nifinao... Tena tsy te hanokatra varavarana mihitsy ianao…

Ding, dong, fanindroany...Eny ary, nijery vetivety ny tenako teo amin’ny fitaratra aho...

"Tsy olana izany e, afaka manokatra varavarana ianao."

Ary inona no hitako teo anoloako? Fehezam-boninkazo tsara tarehy be!!! Kay! Tena nahagaga ahy izany!

"Misy olona te hampifaly anao, madama" hoy ilay mpivarotra voninkazo tamiko. Ary tena izany tokoa no tsapako rehefa nahita an’io fehezam-boninkazo mahafinaritra io aho! (Soa fa nosokafako ilay varavarana, na dia reraka sy be faribolana mainty teo ambanin’ny masoko aza aho!)

Tonga dia ianao no tao an-tsaiko!

Eny, misy olona iray te hampifaly anao koa ! Fantatrao ve Izy?

"Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko." (Apokalypsy 3:20)

Izany no tian’i Jesosy atao, haka toerana eo amin’ny fiainanao sy hampifaly anao, tsy misy fepetra, araka ny maha-ianao anao!

Aza misalasala manokatra ny varavarana ho Azy, na dia tsy tena maniry aza ianao!

Sokafy ny varavarana, na dia reraka aza ianao! Sokafy ny varavarana, satria misy Olona iray te hampifaly anao! Jesosy izany!

Jesosy, izay tia anao amin’ny fitiavana tsy manam-petra, no mandondòna eo am-baravaranao anio.

Ary ianao koa dia ho gaga hahita ireo zavatra mahafinaritra maro miandry anao raha manokatra io varavarana io anio ianao.

Fahagagana ianao! 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.