Eny sy Tsia
Haintsika tsara angamba ny tantaran’i Jona. Fintiniko kely hoe nirahin’Andriamanitra hitondra hafatra ho an’ny mponina tao Ninive izy fa nanda. Mihomehy aho indraindray hoe Andriamanitra ange efa azoko antoka fa nahalala fa handà i Jona fa Izy tsy voafetran’ny “Tsia” ataontsika matetika fa ampiasainy mihitsy aza izany handratsana antsika hanaovantsika ny sitrapony.
Ie, dia nandà i Jona. Lasa nitsoaka izy. Iny koa anisany nampihomehy ahy hoe hitsoaka an’Andriamanitra aiza moa? Hoy ny mpanao Salamo hoe : “Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?” Salamo 139:7 😁 Ary rehefa manalavitra an’Andriamanitra dia misy zavatra mitranga, i Jonah izao dia natelin’ny trondro be. Tao anatiny tao izy nandritry ny telo andro, azonao an-tsaina ve? Manasa anao aho hamaky io bokin’i Jona iray manontolo io fa maro ny lesona azo tsoahina ao.
Fa ny anio dia hoe na inona na inona fandavantsika ny antson’Andriamanitra dia na ho ela na ho aingana dia tsy maintsy tanteraka izany. Efa nanomana ny rehetra Andriamanitra ary be famindram-po sy fiantrana. Manerana izao rehetra izao ary mifehy izao rehetra izao. Impiry moa aho nandre ny antsony fa dia nolaviko noho ny antony marobe fa inty aho manoratra ho anao anio nefa….tsara Jesosy! Lazao Azy fotsiny hoe : “Inty aho, iraho aho” (Isaia 6:8)
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕