• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 4, 2026

Eny, miakatra avokoa ny vidin-javatra. 💶

Andro namoahana Jan 4, 2026

Tamin'ny volana lasa, rehefa nandeha namita iraka tany Hamburg aho ka te-hividy tavoahangin-drano tao amin'ny seranam-piaramanidina, dia gaga aho: mihoatra ny 5 euros ny tavoahangy rano tsotra! 😳

Ary araka ny mety ho hitanao eo amin'ny fiainanao, izany no mitranga eny rehetra eny amin'izao fotoana izao: "Miakatra ny vidin-javatra rehetra!"

Tsy haiko na mampikorontan-tsaina anao ity vanim-potoana ity na afaka manana finoana tsotra izao ianao, fa te hampahery anao aho anio 😃! Ary hanao izany aho amin'ny andinin-teny iray azo antoka fa fantatrao, ary andeha hiarahantsika hohadihadiana vetivety :

"Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. " (Matio 6:26).

Alaivo sary an-tsaina anie ny vorona iray ... Tsy miasa saina izy. Tsy manomana ny fiainany amin’ny fanomanana ny lisitry ny zavatra tokony ho atao tahaka antsika izy. Tsy mandany ny androny manontany tena hoe: "Oh, aiza no hatoriako anio alina?" Na izany aza, dia mahita toerana hipetrahana izy isaky ny alina, na eo amin’ny sampan-kazo, na ao anaty akany, na eo anelakelaky ny hazo.

Nataon’Andriamanitra mahalala tsara ny toerana hialofana sy hialana sasatra ny vorona tamin’Izy namorona azy.  Ny vorona dia miantehitra amin’izay hitany, amin’izay ilainy, araka ny voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:

"Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy." (Matio 6:26).

Toy izany koa no namoronan’Andriamanitra anao, mba ho fantatrao tsara hoe aiza no ahitana fialofana sy fiadanana ary fivelomana. Indrisy anefa fa mafy kokoa ny feon'ny fanahiana.

Izany no mahatonga ahy mampatsiahy anao anio an’Ilay izay nampanantena anao fa hanome anao izay ilainao... 

Tsy misy antony tokony hampanahy anao; miantehera amin'ny mpamatsy sy mpanolotsaina anao!

Fa efa nanomana toerana ho anao Izy, izay hahitanao izay rehetra ilainao. Ary izany toerana izany dia ny Sandriny!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.