Eny ary, afaka manokatra ny masonao ianao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Eny ary, afaka manokatra ny masonao ianao !

Efa nahita ny sarinao tamin’iray amin’irony fitaratra miolikolika irony ve ianao ? Iray amin’irony fitaratra manalava na manangeza ny sarinao noho ny tena izy irony.
Rehefa mandeha lamasinina aho dia matetika mahita toy io fiovana io eo amin’ny fitaratry ny varavarankely, indrindra eo amin’ny sisiny, eo amin’ilay miolika indrindra. Io fiolihana io mihitsy no miteraka io karazana fiovan’ny sary io.
Ny Fahasambarana fahenina dia milaza fa : « Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra » (Matio 5:8). Ry namako, mora ny mahita ny tranga amin’ny endrika ratsy rehefa tsy mahitsy ny fonao. Eny,ny zavatra toy ny avonavona, ny fitsiriritana, ny fitiavan-tena … dia miteraka fiovana ao amin’ny fitaratry ny fonao, izay manakana anao hahita ny zava-misy marina.
Fa ho an’ireo manana fo madio dia misokatra misimisy kokoa ho an’Andriamanitra ny mason’izy ireo ary mandray fanambarana misimisy kokoa avy Aminy izy. Ary miteraka hafaliana lehibe ao amintsika izany ! Tsy misy sarobidy mihoatra noho ny manana fiombonana lalina amin’Andriamanitra eto an-tany.

Ny fahasambarana fahenina dia mifono fampanantenana be voninahitra, izay mifandray amin’ny fifaliana ny amin’ny fahitana an’Andriamanitra. Androany, afaka mangataka amin’Andriamanitra ianao hanadio ny fonao ary hanampy anao hahita Azy misimisy kokoa. Mamporisika anao aho hiaraka hivavaka amiko : “Tompo o, misaotra amin’ny Fitiavanao ! Ry Andriamanitro, tsy te hanana loto intsony aho ato am-poko. Diovy aho ary ampio hijery ny zavatra rehetra amin’ny Masonao Tompo o ! Te ho tonga saina misimisy kokoa aho amin’ny zava-misy ara-panahy, ary tsy hijery intsony ny zavatra amin’ny endrika ratsy. Misaotra Tompo amin’izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainako ! Amin’ny Anaran’I Jesosy. Amen !”
Anio, vokiso eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra ny tenanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!