• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 5, 2026

Ela kokoa noho ny nantenaina ve ny fahagaganao?

Andro namoahana Jan 5, 2026

"Mahafinaritra hoe miaina fahagagana ny hafa. Fa izaho anefa toa ohatra ny tsy rarahin’Andriamanitra izany."

Izany koa angamba no eritreretinao amin’izao fotoana izao, amin’izao toe-javatra misy anao izao, ka tena misalasala ny amin’ny tenanao ianao hoe: "Mbola tsy tsara ve aho? Tsy masina?" Toy izany koa no tsapan’ny vadin’i Abrahama rehefa nampanantena azy ireo Andriamanitra fa hahita ny fahagagana ataony izy ireo — hahazo zanaka lahy! (Genesisy 17:16).

Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha. Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?” (Genesisy 18:11-12).

Angamba ianao koa efa niandry fahagagana hatry ny ela. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia very fanantenana ianao satria toa tsy misy na inona na inona mitranga.

Rehefa mampanantena anefa Andriamanitra dia mila azonao antoka fa efa tanteraka izany!

Mety hisedra ny finoanao sy ny fahatokianao mandritra ny fotoana fohy Andriamanitra. Tsarovy foana anefa fa tsy mitovy amin’ny antsika ny fotoanan’Andriamanitra. Izy irery no mahalala izay tena mahasoa anao!

Ny masonao dia mifantoka amin'ny zavatra hita amin'izao fotoana izao. Izy anefa efa mahita izay mbola tsy hita!

Mialoha lalana anao fotsiny Izy. Izany no mahatonga ahy mamporisika anao ho tahaka an'i Abrahama:

Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro;” (Romana 4:18).

Tiako ny mivavaka ho anao:

"Jehovah Andriamanitro ô, misaotra Anao aho fa mahay loatra Ianao! Fantatrao avokoa ireo fanirianay lalina indrindra. Ampio aho hino fa raisinao ho zava-dehibe mandrakariva izahay ary henonao avokoa ireo vavakay. Misaotra Anao nanome ahy hery ahafahako matoky ny Fotoananao tonga lafatra, amin'ny anaran'i Jesosy, Amena."

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.