đEkeo tsotra fotsiny

âFa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.â - Asa 5:29
Mampalahelo fa vao misy zavatra karakaraina matetika dia lasa mitoetra betsaka ny resaka kolikoly. Na aiza na aiza dia tsy nisy tsy mahalala ilay fiteny hoe: â MametrĂ kely aloha fa karakaraiko ianao eeeâŠâ Enga anie tsy ianao ilay miteny anâio đ
Hainao moa fa hĂ lanâAndriamanitra ny kolikoly? Tsy aminâny resaka ara-bola ihany fa kolikoly ara-moraly, ny kolikoly aminâny resaka politika⊠Mety hiteny ianao hoe aiza no milaza izany ao aminâny Baiboly dia ireto misy andininy vitsivitsy hanasako anao ho vakiana :
Mbola maro ny andinin-tsoratra masina fa inoako fa nandray ny Baibolinao ianao ary namaky ireo aloha, satria ianao dia olona mpankatĂł.
TianâAndriamanitra isika handeha aminâny rariny sy ny hintsiny ary ny fahamarinana. Andriamanitra irery ihany no tokony ekena. Na inona na inona endrika kolikoly, na tsy fandehanana aminâny fahamarinana dia tokony halavirintsika izany. Isika kristianina no fahazavana, midika hoe: tokony ho ohatra maneho ny fahamarinana.
Manomboka anio dia aoka hanalavitra ny ratsy isika, hanalavitra ny endrika fandemen-tsaina hitadiavana tombontsoa manokana, hanalavitra ny fahalĂłvana rehetra fa HIJORO. Miandry fatratra anao izao tontolo izao (Vakio Romana 8:19). Ary raha atomboka anio eo aminâio sehatra misy anao io?
Fahagagana ianao!

