• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 14, 2023

🍽 Efa vonona ny latabatra !

Andro namoahana Okt 14, 2023

 

Oviana ianao no tany amin’ny trano fisakafoanana farany ?

Isaky ny misy fotoana aho dia tiako ny mandendeha miaraka amin’ny ankohonako. Ary mandeha any amin’ny trano fisakafoanana izahay mankafy sakafo mafilotra rehefa mba afaka manao izany.

Ao amin’ny Salamo 34, manohy ny fampaherezany ny mpanjaka Davida amin’ny fanoratany hoe : “ Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.” (Salamo 34.8) Jereo anie ny fanasana izay entin’ilay andian-tsoratra masina :

  • Andramo : ankafizo, tsarovy ireo zavatra tsara nataon’Andriamanitra sy ireo nataony teo amin’ny fiainanao.
  • Jereo : mifantoha amin’ireo zavatra tsara sy ny fitiavana izay omeny anao isan’andro.
  • Matokia Azy : satria rehefa misafidy ny hanankina Aminy ny zavatra rehetra ianao ary hifantoka amin’ny zavatra tsara, dia ho feno fifaliana ny fonao !

Ry namako, ankafizo ny fahatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ! Tsy tiany ianao hionona amin’ny famakiana ny momba Azy fotsiny. Fa tiany handeha lavitra ianao mihoatra noho ireo izay lazain’ny hafa momba Azy ! Tiany hiainanao mihitsy izany ary tiany hankafy tanteraka ny hamamin’ny Fanatrehany ianao !

Anio, mankanesa eo amin’ny latabany amin’ny fonao manontolo.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.