Efa voaloa ny sarany
Rehefa mandeha fiaramanidina ianao na fiara fitanteram-bahoaka dia tsy voatery ho fantatrao ny mpanamory. Tsy ho tonga ao an-tsainao mihitsy ny hoe haka bus ianao dia hanontany ilay saofera aloha hoe aiza ny “permis”-nao dia efa nanao accident ve ianao io? 🫣 Mety misy fotoana aza tsy hitanao akory ny endriny fa dia maka toerana ianao dia miandry ny fiaingana dia zay. Atokisanao fotsiny hoe efa voaloa ny saran-dalana dia tsy maintsy tonga any amin’ny alehanao ianao. Indraindray aza moa misy ireo miodina an-dalana fa mimenomenona ianao dia maka fiara iray hafa indray ohatra izay mety ho tsara kokoa na ratsy toy ilay teo. Ka na misy fitohanana kely eny, na misy mikintaontaona ny lalana na elaela vao tonga dia tsy hiteny mihitsy ianao hoe ento aty hanaovako azy…
Raha mahatoky ny mpanamory na ny saofera toy izany ianao, na dia hainao fa olombelona ihany aza izy ireo, dia tsy tokony mihoatra lavitra noho izany ve ny fahatokianao an’Andriamanitra? Ie, tsy hitanao ny endriny, fa ny hany fantatrao dia miresaka Izy ary na mety mbola tsy hainao aza ny manavaka ny feony, dia hinoanao fa ao Izy miahy anao.
Efa naloany ihany koa ny “saran-dalana” rehetra ilainao amin’ny fiainana. Jesosy no mpanamory nanao ny sorona ny ainy ahatongavanao amin’ny toerana tokony alehanao am-pitoniana sy am-piadanana. Eny, mety elaela vao tonga amin’ny tanjona tiana aleha fa misy endrika fitohanana eny, na mety tena niova lalana mihitsy aza. Eny, mety misy mikitaontaona ihany koa tsy araky ny noeritreretina fa dia mila mahatoky Azy isika satria efa voaloa ny rehetra ary tsy maintsy tonga any amin’ny aleha rehefa Izy no mitarika.
Koa mampahery anao aho anio. Avelao Jesosy no hanamory ny fiainanao. Avelao Izy hitarika anao fa hoy Izy aminao anio “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anao, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anao fanantenana ny amin'ny farany.” (Jeremia 29:11), Amen.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕