• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 8, 2026

Efa tapa-kevitra ve ianao?

Andro namoahana Jol 8, 2026

Efa ho andro vitsivitsy izao ny niresahantsika ilay “Andriamanitra mahita” ary anio dia hiditra lalindalina kokoa isika…satria misy fanontaniana manan-danja tokony hapetrakao dia ny hoe : vonona ve ianao?

Rehefa tonga eo amin’ny fiolanana ianao ka tokony hivily ankavanana dia inona no ataonao?

Tonga dia mamonjy ny lalana ankavanana ianao fa tsy miandry ny ora farany, sa tsy izany? Raha amin’ny minitra farany ianao no tapa-kevitra dia mety tsy hanan-tsafidy afatsy ny handeha mahitsy raha tokony hiodina arak’izay efa nokasainao. 

Mampatsiahy ahy zavatra izany: Ilay Andriamanitra “..Izay mahita” (Genesisy 16:13) Ary efa nahita anao talohan’ny nahaterahanao akory aza: “Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.” (Salamo 139:15)

Mialoha lavitry ny fotoana hiainanao dia efa nanopy ny masony taminao Izy. Ary efa napetrany teo anoloanao, hatramim-boalohany, ny safidy hiara-dalana Aminy na hanapa-kevitra irery amin’izay lalana tianao hizorana. Io ilay safidy malalaka resahin’ny olona matetika.  

Kanefa amin’ny maha-olombelona dia mety mandeha amin’ny lalana iray isika, ka tsy mihevitra ny tena ho aleha marina. Mieritreritra isika hoe “Hanapa-kevitra aho ao aoriana ao”.

Nefa rehefa mivadika ho olana be tampoka ny fiainantsika dia miezaka mitodika aingana amin’Andriamanitra isika, satria mila Azy isika izao….Nefa dia tsy afaka atao intsony izany amin’izao! (Tahaka ilay fiviliana an-dalana sarotra teo).

Satria io lalana io dia tsy maintsy hiady amin’ny lainga tahaka ny hoe : “Tsy te hifandraharaha aminao intsony izao Andriamanitra” na: “Noravainao ny zava-drehetra, tokony nanatona an’Andriamanitra mialoha ianao”.

Izany ny olana mety atrehinao raha nohamaivaninao ny fanapahan-kevitra mazava hanaraka an’Andriamanitra. 

Aza avela ho giazan’ny safidinao manokana ianao raha mahita sy te hanafaka anao Andriamanitra. 

Koa efa nandray ny fanapahan-kevitrao ho Azy ve ianao? 

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.